Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona efatra voakasika mivantana tamin’ny voina. Lehilahy 35 taona sy 40 taona voa mafy ka tsy tana ny ainy. Ankoatra azy ireo, roa lahy hafa voa mafy ka voatery nahiditra hopitaly. Trano lehibe andalam-panamboarana ao amin’ny ivontoerana ambony manofana mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ity loza niseho ity.
Tsiferana R.