Ezaka ho fiverenana any amin’ny fototra: Misahana taranja efatra ny foibe « Zanabaliha »

Manohy manatanteraka ny fanamby napetrany ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny kolontsaina ma­lagasy « Zanabaliha ». Raha nanomboka tamin’ny fampianarana valiha. Nitohy tamin’ny dihy malagasy. Nisokatra ihany koa ny kabary sy ny soratra. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny ezaka ho fiverenana any amin’ireo fototra maha Malagasy tanterahin’ity foibe ity ihany koa ny fampianarana sy fampiofanana momba ny fahalalana ara-panahy nananan’ny Malagasy fahiny. Misy zana-taranja miisa efatra tafiditra ao anatin’izany.
Nomarihin’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Zanabaliha fa : « tsy voatery ho mpikambana ao aminay no mitondra ireny fampianarana ireny fa misy ny mpam­pianatra na mpikaroka na raiamandreny, sns, avy any ivelany. Anisan’izany, ohatra, ny fampianarana kabary, ny dihy malagasy, ny fahalalana ara-panahy sy ireo zana-taranja ao aminy ». Nomarihin’ ny mpitantana ity foibe fikarohana sy fampianarana ny kolontsaina malagasy ity kosa fa «manomboka liana amin’ny fiverenana any amin’ny fo­totra maha Malagasy ny tanora ankehitriny. Tsy tokony hatao ho sakana ny fibosesiky ny kolontsaina vahiny eto, raha haintsika sy vitantsika raiamandreny isan-tsehatra ny mampita ny kolontsaina ma­lagasy. Efa ao anatin’ny tanora ny fitiavana sy ny finiavana te hahafantatra ny mom­ba azy. Mila fohazina izy ireny».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: