TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly ny « Fiofoana 2025”, fampisehoana soradihy notontosain’ny Cie Rary. Nifamotoana tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ireo mpankafy dihy sy ireo mpandihy avy amina tarika maromaro toy ny Cie Rianala, Cie Safiotra, Jarim’s Company, Cie Rainah, Cie Summer Slam ary ny Cie Rary, mazava loatra.

Fehezam-boninkazo ho an’ny reny, ny fampisehoana niharo fitsangatsanganana niarahana tamin’i Njakatiana, teny amin’ny Naturia Palm Antanambao, omaly. Nosafidiany manokana ireo hira heverina fa ankafizin’ireo renim-pianakaviana, izay tonga maro niaraka tamin’ny ankohonana. Voatosika ny hatsiaka noho ny hafanan’ny ifarahana, ho an’ny teny an-tsehatra sy ireo mpijery nameno ny toerana.

Efa any Quebec ny delegasiona Malagasy, hiatrika ny andiany fahadimy amin’ilay “Conférence des mi­nisitres de la culture”. Mitarika izany ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera Mara Volamiranty Donna, sy Ratovonirina Faly, tale jeneralin’ny kolontsaina. Maro­maro ireo lohahevitra hodinihina amin’ity fihaonana an-tampony ity, manodidina ny kolontsaina maneran-tany.

Mbola anatin’ny fifaninanana “Miss Monde” hatrany ny “Miss Madagascar” Cyria Temagnombe. Mafimafy ny fifaninanana, saingy tsy mbola mahakivy. Niatrika ny “Challenge Top Model” izy ny sabotsy teo, rehefa avy nandalo ny “Challenge world designer”, na­nasongadinany ny fitafiana vita Malagasy, maneho ny toerana niaviana sy hanaovana amin’ireo lanoana mihaja hatrehiny.

Partager sur: