Anisan’ireo vahiny mpanakanto andrasan’ny mponin’i Nosy Be handray anjara amin’ny “Festival Sômaroho! 2025”, ny volana aogositra, i Shenseea. Efa manao ny dingana hahatongavana amin’izany i Wawa sy ny komity mpikarakara.
Shenseea sa i Ruger? Fanontaniana napetrak’i Wawa ho an’ireo mpankafy ny “Festival Sômaroho!”, indrindra ny mponin’i Nosy Be io tamin’ny herinandro. Mahakasika ireo vahiny mpanakanto izay hasaina amin’ity taona ity izany, ka tamin’ireo no nasainy nisafidy ny rehetra. Nivoaka ny valiny: i Shenseea no be mpisafidy kokoa.
“Efa nifampiresaka tamin’ ny mpikarakara azy izahay. Hiezaka mafy ny komity mba hahatongavany aty. Somary henjana ny fepetra takiny, fa isika raha mifanohana dia ho maivana izany. Ho henonareo eo ny tohiny”, hoy ny nambaran’i Wawa, omaly. Ho an’ireo mahafantatra azy, karazan’ny efa raikitra izany, satria manana izay fahaiza-mandresy lahatra ireo mpanakanto namany izay i Wawa.
Mpanakanto avy any Jamaïque i Shenseea. Mivoy karazan-gadona maro, toy ny dancehall, reggae ary rap izy. Anisan’ireo mpanakanto malaza manerana ny firenena maro amin’izao fotoana, ka efa manako hatrany Nosy Be.
Mbola hisy vahiny mpanakanto hafa koa hasain’i Wawa. Hamoaka indray ny fakan-kevitra manaraka izy, tsy ho ela. Hanampy ireo ohatra ny isan-taona ireo Malagasy mpanakanto, izay malaza amin’izao fotoana. Eo koa anefa ny fanomezam-boninahitra mpanakanto iray, nametraka ny anarany teo amin’ny tontolon’ny mozika.
Ny 6 hatramin’ny 10 aogositra izao no hanaovana ny andiany faha-12 amin’ny “Festival Sômaroho!” any Nosy Be. Mialoha izany, hiatrika ny andiam-pampisehoana eto sy any ivelany i Wawa sy ny tariny. Anisan’izany ny fandraisany anjara amin’ny “Festival Tsika Jiaby” any Paris sy ny andiam-pampisehoana iarahany amin’i Zily.
Zo ny Aina




