Manamafy ny tsy fisian’ny mpikarama an’ady rosianina « Wagner », ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jeneraly Rakotonirina Léon Richard, omaly. « Mila mailo hatrany anefa i Madagasikara », hoy izy.
Nitondra fanazavana momba ny resaka mpikarama an’ady rosianina “Wagner ” ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy. Nambarany fa ny volana desambra lasa teo no efa nisy resaka momba ity fikambanana Wagner ity. Maro rahateo ireo milaza fa mihetsiketsika aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika ny Wagner . “Misy milaza fa aty Madagasikara dia misy Wagner ihany koa araka ny fitantaran’ny mpanao gazety vahiny sasantsasany any ivelany. Izaho manokana dia tsy mahita ny fisian’ny Wagner eto Madagasikara saingy mila mitandrina hatrany isika fa tsy ny ady amin’ny iray alina kilometatra any no ampidirina eto amintsika. Tsy misy idirantsika ny ady eo amin’i Ukraine sy Rosia”, hoy izy. Nomarihiny fa mitohy ary mihamafy hatrany ny fifandonana eo amin’ny roa tonta.
Manoloana izany, mampisy fiahiahiana eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena izany satria misy akony aty amin’ny firenena tsirairay avy. Ny firenena tandrefana dia manampy ary mampitombo ny fanampiana fitaovam-piadiana ho an’i Ukraine.
“Fahavalo ireo milaza fa tsy ilaina ny Tafika”
“Ny tafika miaro tanindrazana, miaro ny fiandrianam-pirenena, izany no midika fa manana Tafika isika. Raha misy olom-pirenena manambany ny Tafika hiaro azy dia mbola olom-pirenena ve izany? Raisina ho toy ny fahavalo avy any ivelany ireo manana fisainana fa tsy ilaina ny Tafika”, hoy hatrany ny ministra manoloana ny fanaratsiana ny Tafika Malagasy. Nohitsiany fa manana andraikitra amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena, ny fahaleovantena ary ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny Tafika Malagasy sy ny Foloalindahy.
Firenena tan-dalàna isika eto Madagasikara ka manao ny ezaka rehetra hampisy ny fampandrosoana. Tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara mba hanana ny maha izy azy ireo amin’ny lafiny iraisam-pirenena. Noraisiny ohatra tamin’izany fa ny vahoaka okrainiana dia manaja ny Tafika okrainina. “Ao anatin’ny tany anankiray raha mbola olom-pirenena dia manaja sy mirehareha ho manana Tafika miaro azy. Izany no atao hoe toe-tsaim-piarovana na esprit de défense”, hoy hatrany izy.
Jean Claude