NuRAN Wirless sy Orange : hametraka tambajotra vaovao

Mifanaraka amin’ny politika nofaritan’ny fanjakana ny fiaraha-miasa nosoniavina omaly, teo amin’ny NuRAN Wireless, orinasa kanadianina sy ny Orange Madagascar. Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hanitatra ny tambajotra any ambanivohitra, ka tanàna 500 no hisy fifandraisana mahakasika mponina 1 tapitrisa mahery. NuRAN Wireless, orinasa hametraka fitaovam-pifandraisana amin’ireo toerana ireo hatramin’ny 2025, ary ny Orange no mifanaraka aminy. Ny governemanta kosa amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampivoarana ny nomerika, paositra sy fifandraisan-davitra (MDNPT) no hanamora ny dingana arahina amin’izany.
85 % eto Madagasikara an­kehitriny no efa mampiasa Orange, fa mbola hampitomboana ihany izany, in­drin­dra ho an’ireo mponina any ambanivohitra lavi-toerana sy tsy misy fifandraisana. Koa mampihitatra ireo tolotra ao aminy ny Orange any ambanivohitra ary mampitombo ny mponina hiditra amin’ny fihariana bebe kokoa.

Miaro amin’ny tsy fandriampahalemana
Tombontsoa ho an’ireo mponina hahazo fifandraisan-davitra ny tsy mahavoatery azy ireo handeha an-tanàn-dehibe, fa vita eny amin’ny toerana misy azy ny ilainy amin’ireo tolotra omen’ny Orange, ohatra, ny Orange Money. Miaro amin’ny tsy fandriampahalemana ihany koa. Orange Madagascar eto manafaingana ny tanjona napetrany amin’ny fahazoan’ny olona any ambanivohitra mampiasa nomerika.
Nanao Sonia ny fifanarahana omaly, Atoa Fancis Le­tour­neau, avy amin’ny Nu­RAN Wirless sy Frédéric De­bord, tale jeneralin’ny Orange Madagascar, ary natrehan’ny minisitry ny MDNPT, Raza­findramalo Tahina.

Ndrina

Partager sur: