Miroso ny asa. Arahina isan’ambaratonga ireo takina rehetra, hampidirana ny Eglizy Katolika ao Ambodifotatra, Sainte Marie, ho harembakoka iraisan’izao tontolo izao an’ny Unesco.
Efa betsaka ny vita, saingy mbola misimisy ny dingana miandry. Mitohy hatrany ny tetikasa ho fanoratana ny Eglizy Katolika voalohany teto Madagasikara, ho ao anatiny lisitry ny harembakoka iraisan’izao tontolo izao. Ilay Eglizy ao Ambodifotatra, Sainte Marie, izay anisan’ny manamarika ny tantaran’ny misiona kristianina teto Madagasikara.
Manatanteraka asa fanangonana tahirin-kevitra any an-toerana ireo mpahay haitaontrano (architecte du bati) sy mpahay fandinihana ny tontolo iainana (environnementaliste) ary ny mpahay arkeolojia (archéologue) amin’izao fotoana izao, hanampy ireo efa nangonina hatramin’ny niantombohan’ity tetikasa ity. Mandalo eto, ary nidina tany an-toerana ny talem-paritry ny Unesco ho an’i Afrika Atsinanana, Louise Haxthausen, sy ny mpandrindra ny Unesco eto Madagasikara, Julie Rakotoson. Niaraka tamin’izy ireo ny avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, izay miandraikitra ny fanatanterahana ny asa rehetra.
Tsy ny fiangonana Katolika ihany, fa maromaro ireo vakoka ao Sainte Marie, izay mifampiankina ara-tantara. Eo, ohatra, ireo harembakoka an-dranomasina, izay mifaningotra amin’ny tantaran’ireo jiolahin-tsambo vahiny, niery sy nanorim-ponenana tao. Mbola maro ireo nanamarika ny fandalovan’izy ireo, ary porofo mivaingana indrindra ny fasana na ny “cimetière des pirates”, izay tafiditra hatrany anatin’ireo fitsidiky ny mpizahatany.
Nitsidika ny Mozea Betia ihany koa ny tomponandraikitry ny minisitera sy ry zareo avy ao amin’ny Unesco. Nodinihina nandritra izany ny tokony hanarenana ny toerana, izay mitahiry ampahany be-tsaka amin’ny tantaran’i Sainte Marie, amin’ny maha Nosy nifaneraseran’ny olona maro azy.
Harembako-pirenena
Raha tsiahivina, efa ela no voasokajy ho harembako-pirenena ny Eglizy Katolikan’ Ambodifotatra, izay naorin’ireo misionera ny taona 1837. Nisy ny asa fanarenana amin’ ny maha vakoka azy, izay natomboka ny volana febroary 2021. Manaraka ny fenitra takina, ary iaraha-miasa amin’ireo pretra sy relijiozy miandraikitra ny Eglizy izany. Miandry ny vokatry ny fitsirihana hataon’ireo manam-pahaizana aorian’izao. Vita izay vao andrandraina ny famoahan’ny Unesco ny toerana ho anisan’ireo vakoka iraisan’izao tontolo izao.
Zo ny Aina