Satria tsy miteny ry be diplaoma…: Itambesaran’olana hatrany ny teny malagasy

Tsy mety ho afak’olana ny teny malagasy. Fomba fanoratra na fitsipika. Fomba fanonona. Ny hevi-teny sy dikan-teny. Ny teny vao, sns. Samy ahitana olana avokoa, satria, tsy mahavita adidy ireo heverina ho olona nianatra sy be diplaoma, ireo mbola mahatazona ny hasin’ny teny malagasy… Hany ka anjakan’ny bodo sy adala ary ny kiforomporon-teny ny sehatra. Fa maninona no mangina manoloana ny tsy mety?
Maro amin’ireo mpikaroka na mpanoratra efa nodimandry, ohatra, no nanaja fatratra ny hasin’ny teny malagasy. Raha ny sanganasan’ireny, fotsiny, ohatra, no hoentin-dry be diplaoma manainga ny fikarohana ataony momba ny teny malagasy. Ho maro ny fefy afaka napetraka.
Mpanentana fandaharana any amina Radio, miteny sy mampiasa ny « vary amin’akotry ». Mamoromporon-teny tsy misy fototra. Fa maninona no mihaino fotsiny izany ireo mpahay momba ny teny? Manao tazan-davitra fa tsy mi­volana na inona na inona. Rakotra teny malagasy diso tsipelina, firafitra, sns, ao anaty tambajotran-tserasera isan-karazany. Mitazam-potsiny ny mpandala sy mpanandratra ny teny malagasy.
Tsy mbola manana fahasahiana miteny sy manoro ary mananatra ireo avara-pianarana sy ireo nandalina momba ny teny malagasy izy ireo. Ta­haka izany koa ireo mahatahiry ny hasin’ny teny malagasy. Tsy antenaina ny hiverenan’ny hasin’ny teny malagasy sy ny Malagasy miteny azy. Ahina hivadika ny rasa ka ny vahiny indray no hampianatra ny Malagasy ny teniny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: