TARATRY ny KANTO

Tsy hisy ny “Makua Music Festival” andiany faharoa. Fanambarana nanaitra ny maro, nataon’i Shyn tao amin’ny pejiny io, omaly. Voalaza fa noho ny tsy mbola fisian’ny fihaonana eo amin-dry zareo mpikarakara sy ny tomponandraikitry ny kaominina ao Toa­masina, izay tokony hanome fahazoan-dalana no antony. Efa amam-bolana no napetraka izany, saingy tsy mbola nivoaka. Miandry ny tohiny ny rehetra.
Nodimandry i Noro, iray tamin’ireo mpilalao tantara tranainy tao amin’ny RNM. Anisan’ny nahafantaran’ny maro azy ny feony nilalao an’i Bako mpitsongo dia. Efa mpiandraikitra trano famakiam-boky ihany koa izy ankoatra izay. 87 taona Ravelonoro Lala Manitra na i Noro izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Nisy ny seho ara-javakanto izay notontosaina tetsy amin’ny Havoria Anosy, omaly. Tohin’ny fanokafana ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny nahazoana ny Fa­ha­leovantena io. Anisan’ireo nitondra seho an-tsehatra namerina ny tantara nandritra ny fitakiana izany fahaleovantena izany ireo mpianatra. Teo ihany koa ireo mpanakanto marolafy, nitondra hira, dihy, tantara tsangana, sns.
Hosokafana anio ny fankalazana ny “Iray vo­lan’ny Teny malagasy”. Hisy ny lanonana ofisialy ho­tontosaina etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, anio. Arahina famoaham-boky roa, ny Ndao hahitsy ny diso sy ny Alô hianatra fitenim-paritra izany. “Teny ma­lagasy enti-mahatsangy, ny fiainam-pirenena mahaleo tena”, kosa no lohahevitra nosafidina hitondrana ny fankalazana amin’ity.

Partager sur: