Boky roa, hanampy ny fampiasana ny teny malagasy andavanandro. Ireo no tsangambaton’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny teny malagasy”, navoakan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera.
Mampiasa amin’ny tokony ho izy ny teny malagasy ve isika? Ny tsirairay no samy mamaly izany any an’eritreriny any… Fa ny azo antoka aloha dia tsy mihoatra ny 50 isan-jato no hamaly hoe “eny”, tsy an-kisalasala. Antony iray namoahan’ ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny boky roa, “Ndao hahitsy ny diso” sy ny “Alô hianatra fitenim-paritry” io, mba fara faharatsiny hanampy amin’ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny andavanandro.
“Mitontongana ny fampiasana ny teny malagasy, ka izay no hitondran’ny minisitera vahaolana. Mamaha olana amin’ny fanoratana ny teny malagasy ny iray, ary manampy amin’ny fahaizana ny fitenim-paritra kosa ny faharoa”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy
ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra, omaly, nandritra ny lahateniny. Lanonana izay nentina nanokafana ny fanamarihana ny “Iray volan’ny teny malagasy” io, ka ireto bokikely roa ireto no tsangambaton’ny fankalazana.
Nizarana ny boky ireo tranomboky sy sekoly, ary hotohizana manerana ny Nosy ny fanapariahana izany. Ho fanampin’ireo fandaharana efa mandeha amin’ny haino amanjerim-panjakana sy ny amin’ny pejy facebook an’ny minisitera, ireto boky ireto.
“Tsy tokony hijanona ato anatin’ny iray volana, fa mandritra ny androm-piainana no hilofosana ho an’ny teny malagasy. Omeo sehatra ireo nianatra ny teny malagasy fa misy tena nandalina nandritra ny taona maro ao…” hoy ny solombavambahoaka mitarika ny vaomieran’ny Serasera sy ny kolontsaina eo anivon’ny Antenimierampirenena, Rakotondrasoa Fetra. Ho fanamafisana izay voalazany, ny fanoratra diso anatin’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra mihitsy no noraisin’ity solombavambahoaka ity ho ohatra.
“Lasa voninahitra ho an’ny ankizy ny miteny frantsay… Misy koa ireo tapi-pahaizana nefa mandiso ny teny malagasy ao anatin’io facebook io. Any indrindra anefa no tokony hifampitaizana. Ny fampiroboroboana ny teny malagasy dia fireharehana fa Malagasy. Inona no mahamenatra antsika miteny malagasy ?”, hoy kosa ny filohan’ny Antenimerandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard.
Zo ny Aina