Alahadin’ny Pantekosta, 8 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hanatanteraka seho lehibe ao amin’ny FLM Ambohimasina Itaosy ny Tanora Masina Itaosy (TMI). Fantatra fa tsy ho latsaky ny hira 30 no horenesin’ny mpijery amin’io fotoana io. Anisan’ny mampiavaka ny TMI ilay fahaizana mampifandrindra ny feo sy ny zavamaneno ary ny fampitana izany ho an’ny mpihaino. Tononkira tsotra, kanefa, mitondra hafatra mafonja. Marolafy rahateo ny lohahevitra fonosin’ny hiran-dry zareo ireto (Fiainam-pirenena, fitiavan’Andriamanitra, fankaherezana ireo izay mitady ho kivy…). Raha tsiahivina, ny Tanora Masina Itaosy no anisan’ny tarika na antoko mpihira nahavita seho maro indrindra tao anatin’iny taona 2024 iny. Mbola mitohy amin’izao taona 2025 izao ny fanaovana seho tsy tapaka sy mahasarika mpijery maro.
Fantatra fa ny sampana Fifohazana (Fifil) Ambohimasina Itaosy no mikarakara ity hetsika ity. Sampana izay mankalaza ny faha-40 taona nijoroany.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto