Faritra Atsimo Andrefana : « Ho fitaratra amin’ny fampandrosoana”, hoy ny governora Tovondrainy Ranoelson Edally

Anisan’ny fifaninanana masina ahazoana ny tanàna madio eto Mada­gasikara ny faritra Atsimo Andrefana. Mifanaraka amin’izay, ny famitana ny toky nomen’ny filohan’ny Repoblika mba hitsohan’ny rivo-pampandrosoana avy any Atsimo. Mizara ny fomba fijeriny ny governora Tovon­drainy Rano­el­son Edally.

Gazety Taratra (*): Tao­rian’ny fandalovan’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, tompoko, inona no azo am­bara mahakasika ny filazana fa avy aty aminareo no ho fitaratra amin’ny fandrosoan’i Madagasikara?

Governora Tovondrainy Ranoelson Edally (-): Voa­lohany, isaorana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, manana ity fomba fijery ity, izay tsy mbola nisy hatrizay. Nalaza ho faralahin’olona foana izahay taloha. Mitom­bina tanteraka, araka izany, ny filazany amiko. Afaka taona vitsy dia azo antoka fa ho fitaratra ny aty amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Raha tsiahivina dia misy tetikasa lehibe telo, amin’ny fi­trandrahana harena an-kibon’ ny tany, ato aminay. Malaza ny Base Toliara izay ham­piasa volabe 1 miliara dolara ka 50 tapitrisa dolara isan-taona no vola hihodina sy ho ampiasaina eto aminay. Tsy ho lany eto avokoa izany fa tsy maintsy hisitraka ny faritra hafa. Mbola misy ny Next­Resource Mate­rials, izay miasa any Fota­drevo. Efa manao fitrandrahana sy ma­nondrana izy ity. Ary ny Bla­ckearth, izay hiasa any ampanihy, efa tsy ho ela.

* Voalaza matetika tompoko fa tsy mipaka amin’ny vahoaka anefa ireo voalazanao, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, manao ahoana ny tamberin’andraikitra?
– Tsy hiresaka lavabe aho mahakasika izany fa anisan’ ny efa manao izay manandrify azy ireo tetikasa voalaza ireo. Raha tsy hilaza fotsiny ny orinasa Next Ressource aho dia am-perinasa tanteraka izy ireo amin’ny fanaovana asa so­sialy sy toekarena. Anisan’ny mpanohana anay voalohany amin’ilay fifaninanana tanàna madio izy ireo. Efa mandray anjara amin’ny ampahany lehibe amin’ny fanatsarana ny tanàna ry zareo.

* Ampy hilazana fa azo antoka ve tompoko ny fampandrosoana miankina fotsiny amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany?
– Efa zava-dehibe ireo raha mahakasika ny harena an-kibon’ny tany satria ma­nambaka ny faritra hafa ny fanananay ireo fitrandrahana telo goavam-be ireo. Tsy azo tsinontsinoavina fa tena mitazona ny anjara toerany lehibe ihany koa ny fambolena eto amin’ny faritra. Azoko lazaina fa efa sompitra izy amin’ny ankapobeny. Raha ny vary manokana dia afaka fotoana vitsy izahay dia hilahatra amin’ny sompitr’i Madagasikara. Ankoatra ny saha Mangoky izay efa nalaza dia mbola misy ny tetikasa any Mo­rombe, izay misy 5 000 ha ka ny 3 000 ha no efa voajary tanteraka sy efa azo volena. Tombanana hamoaka vary dimy taonina isaky ny hekitara izany. Hitantsika, araka izany, ny ho vokatra eo. Amin’ny distrika sivy, ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana, dia distrikan’i Toliara I irery ihany no tsy mamokatra vary. Marihiko fa tsy faritra maina araka ny mahazatra ny aty aminay fa misy ny faritra tena azo volena ary mahavokatra. Ankoatra ny vary, fantatsika fa Atsimo Andrefana no voalohany eto Madagasikara mamokatra hasy sy ny kabaro, manginy fotsiny ny tsaramaso sy ny katsaka, ary ny voanjo.

* Manao ahoana ny seha-pihariana hafa?
– Ny faritra misy anay dia toerana tokony ho lohalaha­rana mihitsy raha ny zava-misy azo trandrahina sy handraharahana no resahana. Ankoatra ny fambolena dia voalohany izahay amin’ny fananana harena an-dranomasina, miaraka amin’ny morontsiraka mirefy 530 km be izao. Man­giny fotsiny ny harena voajanahary hafa ety an-tanety. Azo lazaina fa ambony ny ta­han’ny fananana ireo harena tsy fahita firy eto ambonin’ny tany aty amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Ankoatra izay, tsy azo hadinoina ny fiompiana satria saika ny antsasaky ny omby misy eto Madagasi­kara dia avy eto aminay, miampy ireo ondry aman’osy izay anananay maro. Hama­ranako azy ny lafiny fizahantany. Ankoatra an’i Nosy Be Hell Ville, dia aty aminay ny laharana faharoa amin’ny fan­draisana vahiny. Mahaliana vahiny aty aminay, azo hamarinina izany. Koa tsy maha­gaga fa hamariniko ny tenin’ ny Filohan’ny Repoblika hoe hianga avy aty aminay ny fampandrosoana.

* Izay ireo heverintsika ho tombony ho an’i Toliara fa mba misy ve ny Drafi-pampandrosoana ity faritra tantananao ity?
– Manana izay tokoa izahay ary niainga tamin’io no naha voalohan’ny fampandrosoana taty aminay hatramin’ ny nitondran’ny Filohan’ny Repoblika. Mitodika mankany amin’ireo seha-pihariana voalaza teo ireo ny politika entinay mitondra ny faritra. Mirona mankany avokoa ny zotra nentina manatratra ny tanjona tokana nokendrena. Amin’izao fotoana izao dia ao anatin’ny manatsara sy manavao ilay drafi-pampandrosoana ny fa­ritra izahay. Izay iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ny famitana izany. Tsy maintsy natao izany mba hifanaraka ny hodidina misy amin’ izao fotoana izao dia ny fahatongavan’ny mpandraharaha lehibe amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Misy ny fampirisihana ny mponina mba hiomana sahady amin’ny fiatrehana ny tinadin’ ireo tetikasa ireo.

* Olana iray nosedraina tokoa, tamin’ny tetikasa tany aloha, ny resaka tsy fahazoan’ny mponina ao an-toerana ny tombony mivantana?
– Izay indrindra no efa hiarahana sahady amin’ireo mpiantsehatra hafa, ohatra, ny arakasa mba hanofana ny tanora sy hamantatra mialoha ny filan’ireo orinasa. Izaho manokana dia niezaka nifampiraharaha tamin’ny mpitondra tetikasa ireny mba tsy ho sakana ny olana eo amin’ny resaka traikefa satria afaka mianatra sy miofana, ary manatsara ny fahaiza-manaony ny tsirairay avy. Izay indrindra no hametrahana amin’izao fotoana izao ny Tranoben’ny asa na ny tambajotra hampifandray ny mpisehatra rehetra. Tanjona ny hampifandanja ny tolotra sy ny tinady arakasa ka tsy ho latsa-daja ny zanaky ny faritra.

* Na eo aza anefa izany rehetra izany, mbola olana hitanay ny mahakasika ny lalana, ahoana ny momba izany?
– Raha ny momba ny lalana dia efa iaraha-mahita sy nandre ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Efa mandeha io ny tetikasa lalam-pirenena fahafolo sy fahafito, RN10 sy RN7. Ny ato anatiny, efa vita godirao soa aman-tsara ny lalam-pirenena fahasivy, RN9. Ny lalana rarivato (Pavé) ato anatiny dia efa nahazo fanampiana avy amin’ ny Filohan’ny Repoblika izahay hanitarana izay efa na­tomboka. Amin’ny taona ho avy dia heverina fa tsy hisy lalan-dratsy intsony eto an-tampon-tanànan’i Toliara.

Dinika nangonin’i CMS

Partager sur: