Mpanakanto samy nanana ny tany nitsimohany no namelona indray ny tsiahy ho an’i Jerôme Randria. Na izany, tsapa fa nahay nampiaina ireo hira noforoniny na nohirain’ity andrarezina ity izy ireo.
Nanie, Nini (Kiaka), Inah, Thony Chriss (zanak’i Railôla) ary ny tarika Railôla, nanafana ny sehatry ny CCEsca Antanimena, omaly tolakandro. «Akom-pahatsiarovana an’i Jerôme Randria» nahatsapana sy niainana indray ireo kalon’ny omaly noforonina sy nokaloin’ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity.
Na samy manana ny maha izy azy aza ireo mpanakanto na tarika teny an-tsehatra. Heno avy hatrany fa nitempo iray ny fon’izy ireo nandritra ny fampisehoana manontolo. Nampitambolona zavatra na tranga maro tany amin’ny mpijery izany ka nahatonga azy ireo hisento, hihira, hitehaka, nangataka famerenana, maso nanganohano, sns.
Lohahevitra maro sy mafonja rahateo no fonosin’ny tononkira tsirairay, hany ka nifamatotra hatramin’ny faran’ ny fampisehoana ny teny an-tsehatra sy ireo mpijery. Anisan’ny nisongadina ny tontolon’ny fitiavana amin’ny endriny samihafa. « Hiaraka aminao », « Impirimpiry moa », « Neny », « Raha ho nofy »…
Nifandimbiasana ny nanao ny feon’i Jerôme Randria sy ireo niaraka nihira taminy tamin’izany. Nandrasan’ny mpijery fatratra ny fomba hamoahan’i Nini (Kiaka) ny hiran’ ny omaly… Tontosany soa aman-tsara. Tahaka izany ihany koa ny an’i Thony Chriss. Ny fiarahan’ny tarika Railôla tamin’i Inah, Nanie… Nampitambolona tsiahy maro ho an’ny mpijery tonga teny an-toerana.
… Anisan’ny nanakoako tao amin’ny CCEsca Antanimena ny fangatahan’ny mpijery ny hamerenana ity seho « Akom-pahatsiarovana an’i Jerôme Randria » ity. Mahalana rahateo no ahitana fampisehoana tahaka izao.
Nahenoina lesoka kely teo amin’ny fifehezana ny fanamafisam-peo teny antsefatsefan’ny fizarana voalohany.
HaRy Razafindrakoto