Misaona ny tontolon’ny fampianarana rehefa namoy ny ainy teo amin’ny faha-83 taonany i Yvette Rabetafika, omaly. Vehivavy voalohany nahazo ny mari-pahaizana ambony momba ny teny anglisy teto Madagasikara, tamin’ny taona 60, izy. Nampiavaka azy rahateo koa, ny nahavoatendry azy ho ambasadaoro teo anivon’ny Unesco. Niainga tamin’ny fampianarana teny anivon’ny Lycée izy ary tonga ho mpampianatra teny amin’ny anjerimanontolo. Anisan’ny nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fampiroboroboana ny teny malagasy koa izy ka antony nahatonga azy ho mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy. Vehivavy tsotra ary tsy tia sehoseho teo amin’ny sehatra nisy azy i Yvette Rabetafika. Marihina fa vadin’ny Profesora Raymond Ranjeva izy.
Tsiferana R.