Nosokafana tao amin’ny « Maison social de l’art » (MSA) etsy Ambatovinaky, ny faran’ny herinandro teo, ilay hetsika kolontsaina nampitondraina ny lohateny « Carte blanche ». Tamin’ny alalan’ny sanganasany no nampitan’ireo mpanakanto mandray anjara ny hafatra ho an’ny rehetra. Anisan’izany ny saripika nalain’i Ampelagie maneho ny herim-po ananan’ny vehivavy. Vehivavy telo miaraka mitoto vary manao ny « farimbon-telo ». « Tsy araka ny niheverana azy ho fanaka malemy fa manana tanjaka mahavariana ny vehivavy. Sahaniny avokoa na ny fampiriman-trano, ny fitaizana ny zanaka, ny fivarotana ireo haza na vokatra hoentin’ny lehilahy… Tsy mba afaka mitaraina na marary aza… », hoy i Ampelagie.
Iray amin’ireo naneho ny talentany eo amin’ny sehatry ny tontolon’ny fikarohana momba ny akanjo sy ny fomba fitafy i Meva Sanjy. Aminy, ilay fomba fianjaika kanto sy tsotra tany amin’ny taona 1970, nampiasana matetika ny lambahoany, no narantiny. Ny fampitana izany ho an’ny taranaka aty aoriana no anisan’ny zava-dehibe, satria, ahafahan’izy ireo mitondra sy manainga ny fikarohany. « Taona 1970. Hira heno tamin’izany fotoana izany. Maneho ny fahatanoran’ny raiamandreny… Tsotra kanefa mifona fitiavana », hoy izy.
Marihina fa i Catherine de Valois no nitsirian’ny hevitra anatanterahana ny famondronana ny talentan’ny Malagasy mpanakanto, na ny eto an-toerana na ny any ivelan’i Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto