Mila homanina ny mpandimby mba tsy ho very ny kolontsaina. Mitodika any amin’ireo tanora mpanao vakisôva indray ny “Festisôva” andiany faha-8, amin’ity. Hisokatra amina sehatra hafa koa ny hetsika.
21 jona, “Fetin’ny mozika”. Nosafidiana manokana hanaovana ny “Festisôva” andiany faha-8 ihany koa io, eny amin’ ny Kianja basikety Andraisoro. Toy ireo andiany teo aloha, haka endrika fampisehoana sady fifaninanana eo amin’ireo tropy mpanao vakisôva eto Antananarivo sy ny manodidina ny hetsika. Ny hampiavaka azy kosa, homena sehatra indray ireo tanora mpisôva, latsaky ny 40 taona. “Mila homanina ireo mpandimby mba hitohizan’ny sôva hatrany. Efa somary lehibe ireo mpanao sôva nalaza ka izay no handrisihana azy ireo hampita ny fanilo, sy hanome tsodrano ireo mpandimby”, hoy ny nambaran’ny filoha lefitry ny fikambanana Tambohobe (Tanora mbola ho beazina).
Tarika 12, anisan’ireo kalaza amin’ny vakisôva eto Antananarivo, no handray anjara, ka hampakatra ireo mpandimby mandritra ny hetsika. Ny Hazo Midoroboka avy eny Ampamarinana, Gasy Misôva Behoririka, Sôva Tanjombato, B52 Antohomadinika, FItarikandro Tsiadana, Fanjan’Anjanahary, Akon’ny Fanantenana Tsiadana, Tara-pahazavana Andraisoro, Black Collection Andranomalina, Raozin’ny Dalia Ampandrana, Tsiazompaniry ary ry zareo avy etsy Mahamasina.
“Hisokatra amina hetsika samihafa ny Festisôva amin’ity. Anisan’izany ny fanatanjahantena, satria hisy ny hazakazaka madinika hiainga eny Ambolonkandrina mihazo ny Bibilava, hatreny Andraisoro. Eo koa ny fifaninanana fanorona sy dihy ary fampisehoana hira ara-pilazantsara, ny maraina, izay hataon’ireo antoko mpihira avy eo Andraisoro sy ny manodidina. Tafiditra hatrany ao anatin’ny lohahevitra sy ny fanentanana, dia ny ady amin’ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina izany”, hoy hatrany ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Satria mifandray ny rehetra, ankoatra ny maha “Fetin’ ny Mozika” azy dia hanamarihana ny “Iray volan’ny teny malagasy” ihany koa ny “Festisôva”. Hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny Faribolana Sandratra, hitondra an-tsehatra ireo tantara an’onjampeo voafantina. Fiaraha-miasan’ny Tambohobe sy ny Fikambanana Iarahan’ny rehetra misitraka na ny first, ny fanatontosana ny hetsika.
Zo ny Aina