Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fanatanterahana ireo fomba amam-panao, ankehitriny, ny fiarahamonina malagasy. Anisan’izany ny didimpoitra sy ny famadihana. Efa niova endrika tsy sahala amin’ny tany aloha izy ireny noho ny zava-misy samihafa. Io fiovana manaraka ny toetrandro io no mila fitandremana fatratra, satria, tsy tokony hanova ny fototra.
Rehefa manao lanonana tahaka ny mamadi-drazana, na fora zaza, mandihy, mifaly… Fa tokony ao anatin’ny fifanajana avokoa no hanaovana izany, satria, nahay nanaja fatratra ny manodidina ny Malagasy.
Olana goavana amin’ny fanatanterahana ny fomba amam-panao malagasy amin’izao vanim-potoana izao ny fanaovana tsinontsinona ny hafa. Zavamaneno, hatatatata amin’ny andro alina. Ny arabe bahanana. Ny fiarahamonina korontanina, satria, « mifaly ka mba mandrairay kely »…
Tranga tsy hita teo amin’ny fiarahamonina malagasy mihitsy ireo, fahiny. Nifaly ny rehetra. Nifanome hasina sy haja ny mpiara-monina iray manontolo. Nifanampy tamin’ ny valintanana aza ny ankamaroany. Ireny tranga ireny no mila hiverenana hitaizana ny Malagasy indray. Fifanajana ao anatin’ny fahasamihafana. Tsy zava-baovao ho an’ny Malagasy io, saingy, niha maivana tsikelikely, satria, nirona tany amin’ny samy maka ho azy ny Malagasy.
HaRy
Razafindrakoto