IFM – Fetin’ny mozika : Omena ny vehivavy ny sehatra

21 jona, tahaka ny fanao isan-taona. Handray anjara amin’ny hetsika hanamarihana ny « Fetin’ny mozika » ny etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM). Hiavaka tanteraka ny amin’ity taona ity, satria, omena ny vehivavy ny sehatra. Ao ny mpihira, mpitendry zavamaneno, mpanao slam, mpamoron-kira… Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro, etsy Analakely foiben’ny IFM no hanatanterahina ity seho ity. Handray anjara amin’izany i Dee Andriambelo (hira, fitendrena gitara beso), Lock (hira, mitendry gitara), Fitia (mpiangaly rap), Amboara (mitsoka saksôfôna), Fara (steeldrums), Dilo avy atsy amin’ny Nosy La Réunion (hikapoka ny amponga maroanaka), ary i Navalona (slam).
Ilay fampisehoana nampitondraina ny lohateny « Cultiver demain » kosa no hanokafana ity « Fetin’ny mozika » etsy amin’ny IFM Analakely ity. Ireo tanora manan-talenta indray no handray anjara amin’izany. « Sady sehatra ho azy ireo ny seho hotontosaina no fampahafantarana sy fampivelarana ny talenta ananan’ny tsirairay », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera, etsy amin’ny IFM, omaly.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: