Fiverenana amin’ny fototra: Lasa mpitsabo avokoa ny Malagasy

Marina, tsy mba nampiasa fanafody na ody nandalo labôratoara na toeram-panandramana ny Malagasy. Nahafehy tranga maro momba ny fitsaboana kosa izy noho ny fananany zavaboahary maro sy traikefa nifandimby. Mbola misy rahateo ireo mahatazona izany, satria, nanana raiamandreny sy vatonamelankafatra hendry sy nahavita adidy.
Ankehitriny, lasa mpitsabo avokoa ny Malagasy, satria, miezaka miverina amin’ny fototra, hono. Tranga tsy ratsy, saingy, mila fitandremana fatratra. Tanora tsy nifampikasoka sy tsy nifandray tamin’ny zavaboahary no milaza fa mpitsabo amin’ny alalan’ny raokandro? Manaraka sy manaiky izay ataony sy lazainy ny Malagasy sasany.
Nahay nitsabo tokoa ny Malagasy fahiny. Tsy ny rehetra, anefa, no « nandova » izany na mahay izany fa maro ireo manao kitsapatsapa sy kiandranandrana. Noho izany, mila omena hery sy tanjaka hatrany ireo raiamandreny, ireo mahay mitsabo amin’ny alalan’ny raokandro, mba hahafahan’izy ireo mampita ireo fahalalana ananany. Mila mianatra ihany koa ny tanora sy izay te hitsabo amin’ny raokandro mba hampanan-kasina azy sy ny zavatra ataony.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: