Fampiroboroboana ny vakiboky : Nanome boky 490 baoritra i La Réunion

Ny boky loharanom-pahalalana. Ho fanohizana ny ezaka efa natomboka ela amin’ny fampiroboroboana ny vakiboky eto Madagasikara, nisy ny antso natao tamin’ireo mety ho mpiara-miombon’antoka. Nivaly sahady izany, satria tonga eto Mada­ga­sikara, ny solontenan’ny As­sociation pour la promotion des initiatives citoyennes na ny Apic, miaraka amin’ny Médiathèque avy ao amin’ny kaominina Tampon, ao La Réunion, nanolotra boky 490 baoritra. Noraisin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera tetsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, ny fanomezana. Boky hampiasain’ireo tanora malagasy te handalina bebe kokoa ireo, satria misy karazany sy lohahevitra maro. Misy ny hipetraka ho an’ny Tranombokim-pirenena, fa ny ankamaroany kosa dia hozaraina amin’ireo tranombokin’ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera, izay efa misy 7 izao no miasa.
Fanombohany sady fanamafisana ny fiaraha-miasa misy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izao, raha ny fanazavana nandritra ny fandraisam-pitenenana. Antenaina hitohy amina sehatra maro, indrindra ny mahakasika ny fifanakalozana ara-javakanto sy kolontsaina, satria misy tantara mampifaningotra i Madagasikara sy La Réunion, ankoatra ny maha samy Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Nampa­nantena rahateo ireo vahiny avy ao amin’ny Apic, fa efa mitily sahady ny tohin’izao hetsika izao, indrindra ny eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ny vakiboky.

Zo ny Aina

Partager sur: