Aleo mangina

Anisan’ny vaovao mbola mahaliana sy be mpanaraka amin’izao fotoana izao ny mahakasika ilay fanapoizinana faobe teny Ambohimalaza fa tsy Imerinkasinina. Efa tafakatra 20 izao no namoy ny ainy, ary mainka mitobo ny marary miaina fahasarotana. Manoloana izany, mipetraka ny fanontaniana hoe: inona ny olana ao amin’ny hopitaly ao. Efa fantatra fa poizina mahery vaika no nahavoa, maninona tsy tadiavina maika ny fanafana?
Hatreto dia mainka mifamahofaho be ny toe-draharaha. Zary mifanipatsipaka ny vaovao mivoaka. Lasa ny marina omaly, mivadika ho tsaho indray anio. Ny honohono omaly, ireny indray hoe ny tena zava-nisy. Ny maty lazaina tsy maty, ny velona indray avadika ho tompon’antoka tsy satry. Hany ka mampiaka-peo ny fianakaviany. Toa fahotany izany ve ilay sisam-paty?
Mahavariana ilay fomba fisainana sy iainan’ny Malagasy ilay toe-javamisy. Miandry ny ho vokatry ny fanadihadiana ny sarambabem-bahoaka, na dia tsy resy lahatra amin’ny vaovao ofisialy aza. Ny tsara dia ny mangina aloha. Raha io trangam-piarahamonina io aloha dia aleo angamba ho an-dry zalahy manampahaizana mihitsy no hijijy ny baolina. Aoka izy ireo samy irery no hanely ny vaovao tiany hahely sy izay hany azo ekena ho marina.
Ekena fa amin’ny maha mpanao gazety dia tsy voatery ho hanina am-bolony ny vaovao ofisialy. Mila fanamarinana sy fikarohana fanampim-baovao mba hahafana mizara vaovao feno sy marina, saingy eto Madagasikara isika dia hafakely. Azo atao ny mitrandraka ny vaovao, saingy tsy azo atao ny manely azy. Mety hampigadra sy hamono ny fanaovana izany.
Rehefa tsy avy amin’ny manampahefana, efa nanaovana fampilazana mialoha, dia heverina ho vaovao tsy marina. Dia aleo mangina!

r.r

Partager sur: