« Eo an-tanako » : Seho roa miaraka amin’ny Lehilahy Midera FJKM Ambatonakanga

Tsy azo sarahina eo amin’ny tantaran’ny fiangonana kristianina ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanamafy izany ilay seho miavaka hotanterahin’ny Lehilahy Midera, mpihira eo anivon’ny Sampana lehilahy kristianina.

Amin’ny alahady 22 jona izao, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambato­nakanga, no hanatanterahina ny «Eo an-tanako» na ilay seho lehibe karakarain’ny Lehilahy midera, mpihira ao anatin’ny Sampana lehilahy kristianina eo anivon’ity fiangonana ity. Hizara roa miavaka tsara ny fandaharam-potoana. Fizarana voalohany, handefasana ny horonantsary «Ambatonakanga renim-piangonana malagasy». Mitantara ny fiandohan’ny fiangonana kristiana teto Madagasikara, izay tao Ambatonakanga. Ny fotoam-panenjehana ireo kristianina sy ny finoany. Maneho ireo tsangambaton’ny maritiora ihany koa ity horonantsary ity. «Anisan’ny antom-pisian’ity horonantsary fanadihadiana ity ny ho fampahafantarana sy ho famelomana indray ho an’ny taranaka mifandimby ny tantara mba hanatsarana ny ankehitriny», hoy i Jacques Ramanamirija, Chef de choeur Lehilahy Midera, sady nanoratra ny tantara Amba­tonakanga renim-piangonana malagasy. Hira noforonin’ny Lehilahy midera no mandra­vaka izany. Anisan’izany ny «Jesoa mpanavotra» (David Ramasindraibe), «Fenoy ny fitiavanao» (J. Ramanami­rija)…
Ny fizaram-potoana faharoa kosa, hifantoka amin’ny «Lehilahy vavolombelon’ny finoana». Seho handrenesana hira ara-pilazantsara malagasy samihafa. Toy ny “Ho vatolampiko ianao (Mamy Nanahary 1970), «Fiainana mandrakizay» (Ndriana Ramamonjy 2021). Ao koa ireo hira vahiny voadikan’ny Lehilahy midera amin’ny teny malagasy tahaka ny «Fanekena taloha» (Ancient Words (Lynn Deshazo 2005), «Asandratra izy» (He is exalted (Twila Paris 1980).
Nambaran’i Jacques Ramanamirija fa: «atolotra izao seho manokana izao hoentina manamarika ny faha-25 taonan’ny SLK Ambatonakanga sy faha-10 taonan’ny Lehilahy midera».
Hiarahan’ny Lehilahy midera miasa amin’ny sampanasa AFF (Asa Fitoriana Filazantsara) sy ny Fitoki (Fikambanan’ny tokantrano kristianina ifotony) samy avy ao Ambatonakanga ity seho tsy misy vidim-pidirana ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: