Masoivohon’i Japon : Nijery ny fampiharana ny RRT

Nitsidika ny tanànan’i Fenoaivo, ao amin’ny distri­kan’Amboasary, ny masoivohon’i Japon eto amintsika, Abe Koji, sy ny solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), Taina Goossens, tamin’ity herinandro ity. Nijery ifotony ny fampiharana ny fivoaran’ny tontolo ambanivohitra (RRT) izy ireo. Nampiasana paikady marolafy hanamafisana ny fahafaha-miatrika ny mponina any Atsimo. Hoentina ao amin’ny distrikan’i Toliara koa, amin’ity taona ity, io paikady io iarahana amin’ny Japan Supplementary Fund (JSF) sy ny Pam.
Mitentina 2,03 tapitrisa dolara (9,5 miliara Ar) ny sorabola ampiasaina amin’ity tetikasa ity, izay hotanterahin’ny Pam. Tanjona ny hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy hanamafy ny fahaiza-miatrika ny mponina manoloana ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Hisy ny fametrahana fotodrafitrasa telo famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro hampihodinana ny fambolena sy hahazoana rano madio ary ny asa miteraka loharanom-bola. Hanampy ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ho fampiroboroboana ny fambolena mifanaraka amin’ny toetr’andro ny tetikasa atao.

Vonjy

Partager sur: