INDRAY MIJERY

Fidirana ao amin’ny LTP. Nanokatra ny fanadinana tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny “Petit Amphi” Ampefiloha, ary nitsodrano ireo mpianatra manerana an’i Madagasikara, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Marie Marcelline Rasoloarisoa. Anton’izany ny ho fiantohana ny mangarahara sy ny kalitaon’ny fanadinana.

Firaisankina ho an’ny zon’ny ankizy. Nitondra hafatra maro hanairana ny mponina ao Fianarantsoa momba ireo zaza manana fahasembanana, zaza kamboty, zaza varira, zaza autiste, zaza iharan’ny herisetra, zanaky ny sahirana izay raisina an-tanana ao anatin’ny Plateforme Miaro izy ireo. Tamin’ny alalan’ny Flash Mob no nanehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony.

Fahapoizinana ara-tsakafo tao Toamasina. Nentina haingana tao amin’ny sampana vonjy taitra ireo olona enina avy amin’ny fianakaviana iray taorian’ny fihinanana godrogodro amin’ny sokola. Nisy ny soritraretina: reraka be, fivalanana, fanina, sy fangatsiahana. Efa tsara ny fahasalaman’izy ireo, ary afaka mody any an-trano raha tsy misy olana na fahasarotana hafa.

Fitsidihana ny asa tanana malagasy. Naneho ny hatsaran’ny asa tanana malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny « Made For a Woman », orinasa manam-pahaizana manokana amin’ny famoronana kojakoja rafia lafovidy. Nitsidika izany ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa.

Partager sur: