Atao izay lazaina, lazaina izay atao. Izay ny fitondram-panjakana amin’izao? Tsy inona fa ny amin’izay mampisara-kevitra be ihany tato ho ato izay: ny fahatapatahan-jiro efa ho lava. Mandra-pahoviana? Mazava ny fanazavan’ny filohan’ny Repoblika farany teo ny amin’izay antony fototra sy izay (h)atao. Zava-doza, ohatra, ny hoe nanjavona ny solika amina kamio ampolony famatsiana famokarana herinaratra. Mila mazava hatramin’ny faran’izay ho tohiny sy faran’ny raharaha: aiza, iza… ? Indrindra ny amin’ny fanenjehana araka ny lalàna: hanao ahoana? Fadiranovana ny vahoaka sempotry ny fahatapatapahan-jiro lava, ny tomponandraikitra na ny mpitondra no voahoso-potaka…
Ny tsy fisian’ny fanazavana mitohy sy maharitra fa tsy mandalo ihany na indray mandeha tsy miverina no anisan’ny mampahazo vahana ny tsaho? Misy efa miandry kendry tohina fotsiny amin’ny fanakiviana, fanaratsiana, fanakorontanana… Mora andairan-javatra izay ao anaty fahasahiranana? Mitady izay hitarainana, hosarangotina, hamelona ahay ny fanantenana fa mbola misy ny azo atao… Izay no maha zava-dehibe ny hoe atao izay lazaina, lazaina izay atao. Hafa ihany rehefa mazava. Na eo izay mampisara-kevitra an-toerana izay, na mampisavorovoro na mety hohararaotin’ny mpanakorontana… Hafa rehefa mazava! Hanan-kambara inona indray ireo tsy mahita afa-tsy lafiratsin-javatra?
Hafa indrindra koa rehefa mazava izay aleha sy atao. Eo amin’ny fiainana andavanandro mandavantaona izany, fa tsy vonjy tavanandro ihany. Mandeha tsy tapatapaka lava ny famatsian-jiro, mazava ny fitantanana fa tsy misy fanodinkodinana solika, ohatra, mazava ny saran-jiro fa tsy misondrotra tsy amin’ny antony nefa mihena ny fandaniana… Ho hita eo? Na hazava ihany koa…
R. Nd.




