Nankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny polisy kaominaly eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Alasora, distrika Avaradrano, omaly. Nomarihina tamin’ny lanonana ara-miaramila teny amin’ny Kianja maitso izany. 20 isa ireo polisy kaominaly miasa eny an-toerana. “Tsy ampy sy tsy tena mahasahana ny filan’ny vahoaka izy ireo satria efa mananika ny 70 000 ny isan’ny mponina”, hoy ny ben’ny Tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy Heliasina. Misahana asa maro, toy ny fandaminana ny fifamoivoizana, manampy manadio ny tanàna, mitsirika ireo fanorenana tsy ara-dalàna rehetra sy ny maro hafa izy ireo. Nankalazaina omaly koa ny faha-20 taonan’ny fiahara-mivavaka isaky ny alatsinainy ho an’ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny kaominina. Nosantarina tamin’ny fotoam-pivavahana natao teny amin’ny FJKM Betesda Alasora izany. Efa tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ireo hetsika ireo. Mbola hisy ny fizarana solombodiakoho ho an’ireo zokiolona 2 533 manerana ny fokontany 25. Hisy koa ny seho ara-kolontsaina isan-karazany mandritra ny fetin’ny 26 jona izao.
Mino




