« Fetin’ny Mozika »: Natao hampiray fo ny olombelona rehetra

Anjakan’ny ratsy ny tontolon’ny zanak’olombelona… Soa fa nisy ny mozika, iray amin’ireo mampitony izany. Mampiray, mampihavana, toy ny fiteny iraisan’izao tontolo izao. Izay ny lalan-tsaina voizina mandritra izany.

21 jona, natokana ho « Fetin’ny Mozika ». Tsy io anefa ny « Andro iraisam-pirenena na Andro maneran-tany ho an’ny mozika », fa tokony ny 1 oktobra. Nanomboka ny taona 1982 kosa no nametrahan’ilay minisitra frantsay, Jack Lang, sy ireo mpiara-miasa aminy toa an’i Maurice Fleuret sy i Christian Dupavillon ny andron’ny 21 jona, hanamarihana ny « Fetin’ny Mozika ». Naza­va ny lalan-tsaina novoizin’izy ireo : hanokana andro iray ho an’ny mozika, ilay mampiray , mampihavana ary fiteny iraisan’ny zanak’olombelona maneran-tany. Vetivety, araka izany, dia niparitaka izay lalan-tsaina izay, ka firenena an-jatony ankehitriny no manamarika ny « Fetin’ny Mozika » maneran-tany, ary anisany isika eto Madaga­sikara.
Tsy toa ireo rafitra nentin’ny fanjanahantany akory, fa tena nivelatra vetivety noho izay maha teny ifankahazoana maneran-tany ny mozika izay ity fankalazana ity.
Tanjona faharoa novoizin’ireo namorona azy ny hoe « Manaova mozika! ». Natao ihany koa hahafantarana ireo karazana mozika, karazan-gadona sy endrika mozika misy rehetra ihany koa mantsy ny fotoana. Hampifana­kaiky ny mpanao mozika sy mpankafy mozika, amina toerana iray. Tsy vitan’izay fa fampiarahana ihany koa ireo efa malaza sy ireo manan-talenta vao misandratra izany. Matetika maharitra ny fiarahana, izay mbola manamafy ny nanaovana azy ny 21 jona, izay voafaritra fa lava kokoa ny andro amin’io daty io.
Nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taona 90 tany no nankalaza ihany koa ny « Fetin’ny Mozika » ny teto Madagasikara. Nanainga tsikelikely ny ivokolontsaina frantsay sy ireo rantsamangaikany. Nisandrahaka izany, ka saika nivoy izay lalantsaina izay avokoa ireo toeram-pilanonana sy ivokolo rehetra.

Maro ny safidy
Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, maro ny safidy, anio. Ny IFM Analakely misafidy ny hanasongadina ny talentan’ireo vehivavy mpanao mozika toa an’i Amboara, Dee, Dilo, Fara, Lock, Nava­lona. Ny AFT kosa mamerina ny « Mozikara », filaharambe manaraka ny sehatra mandehandeha, miainga eo Andavamamba hatrany amin’ny Canal Olympia Andohata­penaka. Any kosa ny sehatra goavana ifandimbiasan’ireo mpanakanto toa an-dry Odiay, Ceasar,sns. Sehatra ho an’ireo tena vao misondrotra mihitsy kosa ny etsy amin’ny Carrefour Ankorondrano, ma­nom­boka amin’ny 10 ora maraina. Hisy sehatra goavana ihany koa ao Antsahavola; hifandimbiasana mpanakanto maro hatrany. Toraka izany ny etsy Analakely, izay sady « podium » fanamarihana ny Fetin’ny Fahaleovantena, sy ny « Star Tour » eny amin’ny Coliseum. Manginy fotsiny ireo toeram-pisakafoana isan-karazany, efa mpandray « cabaret » izay misokatra avokoa anio….

Zo ny Aina

Partager sur: