Antsam-piderana : Tonga eto i Dena Mwana

Toy ny isan-taona, hisy ny « Antsam-piderana ho an’ny Firenena ». Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena izy ity. Natao indrindra hangataham-pitahiana ho an’ny firenena, hizarana ireo hira ara-pilazantsara amin’ny alalan’ny fampisehoana goavambe izany. Hotontosaina ny alahady 22 jona izao ny amin’ity, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hiavaka kokoa izany, satria nanasa vahiny mpanakanto, mpivoy ny hira ara-pilazantsara malaza any ivelany isika. Efa nigadona omaly, eto Madagasikara, mantsy i Dena Mwana. Mpanakanto avy any Congo fa mipetraka any Eoropa. Mivoy ny gospel izy, ary anisan’ny hirany malaza indrindra ilay « Saint Esprit », izay nomarihin’ny filohan’ny Repoblika manokana, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny TVM ny alin’ny alakamisy teo.
I Dena Mwana no vahiny manokana, fa hifampizara sehatra aminy kosa ireo Malagasy mpanakanto mpivoy ny hira fiderana. Anisan’ireny ry Ny Mpitory, Bodokely, Lovatiana, Henika, Joseph D’Af, Joyce Revival Messenger, Isaac de Paul, Vero Ranaivoson, Jazw Band, Pepe Shine, TGC, Denis Jee, Aldo, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: