Manomboka mahazo vahana ny fitiavan’ny Malagasy ny momba azy. Saingy, maro ireo manao dingan-dava. Ny momba azy aza mbola tsy ananany fahalalana firy, kanefa, ny an’ny hafa indray no handaniany rondoha tsikeraina, hahitsy, mety hihomehezany mihitsy aza. Mbola lesoka goavana eo amin’ny fampivelarana sy fiverenana any amin’ny fototra ny tranga tahaka io.
Nodimandry i Lalah Les Rafra. Kambana mirahalahy no nahatsiarovana an-dry Rafra, nisy an’i Mims sy i Lalah. Nodimandry omaly ity farany, araka ny nambarany ny rahalahiny, vokatry ny aretina nahazo azy. Tao anatin’ny tontolon’ny zavakanto hatrany izy ireo, satria sady teknisianina momba ny kilalaon-jiro, no nisahana tetikasa ara-javakanto maro sy niara-niasa akaiky tamin’ireo mpanakanto toa an’i Olombelo Ricky, Rossy, sns.
Mbola misy ny tsy mahafantatra ny ambaran’ny « harena ny fahasamihafana ». Ao ny mandika vilana fa tsy vitsy ihany koa ireo mihevitra fa mandeha ho azy ny fiainana izany. Tany ambadik’Imanareza, efa tahaka ny lamina voajanahary. Niteraka fifanajana sy rindran-damina… izany. Amin’izao fotoana, sarotra ny miaina azy, satria, ny momba azy aza tsy fantany ka afangarony amin’ny maha izy ny hafa.
Mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ny Malagasy. Raha eo amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto, maro ny mihevitra fa azo hifanakalozan-kevitra izy ireo (tsara sy ratsy). Tsy azo atao safobemantsina anefa ny vanim-potoana. Raha talohan’ny taona nanimbazimban’ny vahiny ny kolontsaina malagasy, ohatra, hain’ny Malagasy ny manavaka ny tsara sy ny ratsy. Anisan’ny mizana be tsy miangatra nampiasainy tamin’izany ny « soatoavina » (lamina voajanahary. Saingy, ankehitriny, io soatoavina io mihitsy no mitsingilaila.




