Antsam-piderana: namelombelona fanahy ry Dena Mwana

« Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny ». Naverin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry io, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony
teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Vavaka sy antsam-piderana, nentiny nahatsiarovana ihany koa ireo tanora nodimandry vokatry ny famosaviana teny Ambohi­malaza.
Ankoatra ireo mpanakanto ara-pilazantsara malagasy, nitondra aim-panahy ho an’ireo nanatrika ny fotoana sy nanaraka tamin’ny fahitalavi-pirenena ihany koa i Dena Mwana. Mpanakanto afrikanina fa fantatr’izao tontolo izao amin’ny fivoriana ny hira fiderana izy, izay nantsoina manokana hifarimbona amin’ity hetsika nitondrana am-bavaka ny firenena ity.
Fa anisan’ny nahafaly sy nanaitra ny maro izay nanatrika ihany koa ny fampisehoana « drônes ». Namoaka soratra sy sary maro, tao anatin’ny lohahevitra fitondrana am-bavaka ny firenena hatrany izany. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny faha-65 taonan’ny Fahaleovantena iny hetsika iny, izay hitohy amina hetsika hafa amin’ity taona ity.

Zo ny Aina

Partager sur: