CHUSSPA Analakely: napetraka ny rafitra ara-kajy mirindra manara-penitra

Mivoatra manaraka ny teknolojia moderina ny fomba fandraisan’olona ao amin’ny CHUSSPA Analakely na ny Institut d’hygiène sociale teo aloha. Napetraka ny rafitra ara-kajy mirindra manara-penitra handrindrana ny fitantanana ny hopitaly.

Hanampy amin’ny fitantanana mangarahara sy manamora ny fivezivezen’ny olona mila ny tolotra ara-pahasalamana ao an-toerana ny fametrahana ny rafitra ara-kajy mirindra ao amin’ny CHUSSPA Analakely.
Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra tamin’ny fametrahana ireo fitaovana sy kojakoja mahakasika izany.
Nisy ny rindran-damina napetraky ny minisitera. Sa­tria, manomboka vao miditra any am-baravarana ny olona maka ny tapakila mandra-pahatonga any amin’ny sampandraharaha alehany dia efa mazava aminy ny toerana sy ny lalana mitondra azy amin’izany. Voarakitra avy hatrany any amin’ny tahiry anaty solosaina ihany koa ny mombamomba ny olona vao eny am-pidirana. Tsy misy intsony ny famenoana karazana taratasy marobe sy ny fanontaniana betsaka fa avy hatrany dia mamantana any amin’izay sampandraharaha aleha.
Mangarahara ny zavatra rehetra satria fantatra avy hatrany ny vola tokony haloa ary manafoana rahateo ny kolikoly izany.
Manampy ny minisitera amin’ny fanangonana ny karazana antontan’isa ilaina ihany koa ny fametrahana ny rindram-baiko toy izao raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Voarakitra anaty ordinatera avokoa ny mombamomba ilay marary ary manamora ny fanaraha-maso ny fahasalamany izany.
Karazany maro ny tolotra ara-pahasalamana misy ao amin’ny CHUSSPA Analakely. Namantaran’ny maro azy ny fitsaboana ny aretin-koditra fa efa misy ao koa ny fitsaboana ny fikorontanan-tsaina, ny sampandraharaha ORL, fitsaboana nify sy ny ativava, fitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalandra, fitsaboana ny taovam-pananahana, fitsaboana manokana ny zaza, fanaovam-baksiny, tsindrona volamena….

Tatiana A

Partager sur: