Tsy niandry ela fa ny faran’ny herinandro teo ihany dia efa nivoaka ny voka-panadinana CEPE tamin’ireo Cisco marobe manerana ny Nosy. Efa Cisco an-jatony no namoaka izany, miankina amin’ny isan’ny mpianatra sy ny isan’ny mpikirakira ny vokatra no hahafahana manao izany malaky. Anisan’ny namoaka izany haingana ho an’ny teto Analamanga, ny Cisco Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana… Toraka izany ny any amin’ny faritra toy ny Cisco Ikalamavony, Besalampy, Vatomandry, Tsihombe, Amparafaravola….
Manodidina ny 57% hatramin’ny 95% ny taham-pahafahana tamin’ireo Cisco efa namoaka ny tatitry ny voka-panadinana CEPE ireo. Mbola miandry am-pitaintainana kosa ny amin’ ireo Cisco sasany.
Misy ny laharana maitso 921 hahafahana mamantatra ny voka-panadinana. Afaka mandefa hafatra miafina ao amin’ny pejin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ary manaraka ny toromarika izay lazaina. Ankoatra izany ny fidirana amin’ny rohy http://education.gov.mg/gr-men/web.
Tatiana A




