Pr Rakotondrajao Fanja: hamelabelatra momba ny sikidy sy ny tontolony

Tsy zava-maizina fa misy fanazavana. Misy fifandraisany amin’ny matematika, mety tsy voarain’ny rehetra kanefa tokony hianaran’ny rehetra ny sikidy.

Mpampianatra mpikaroka izy. Manam-pahaizana manokana sy fanta-daza maneran-tany amin’ny matematika ny profesora Rakotondrajao Fanja. An­koatra izay, nandalina manokana ny sikidy malagasy sy ny tontolony, ary efa namoaka voka-pikarohana mampifandray izany amin’ny matematika izy. Efa maro ireo fampahafantarana nataony ary mbola hamelabelatra indray momba ny sikidy ity manam-pahaizana ity.
Ho vahinin’ny “Bar à livres” eny amin’ny Le Park Appart’Hôtel Bemasoandro, ny profesora Rakotondrajao Fanja, ny sabotsy 28 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mazava loatra fa manodidina indrindra ny sikidy ny lohahevitra hovelabelarina amin’io. Manana tsangan-kevitra maro izay tohanany izy satria vokatry ny fikarohana nataony mantsy izany. Aminy, harena be no vimbinin’ny sikidy. Tahirim-pahendrena sady tranomboky tsara rindra sy tsara kajy ny sikidy. Indrisy, tsy ny olona rehetra anefa ankehitriny no miditra tranomboky.
“Ny sikidy dia tokony hianaran’ny Malagasy mpianatra rehetra. Manomboka garabola hatrany amin’ny Anjerimanon­tolo. 65 536 ny isan-tsikidy. Raha atao takila iray amin’ny boky misy sikidy roa dia boky misy takila 32 768 izany ny sikidy. Ny sikidy tsirairay anefa mampita hafatra manokana”, hoy indrindra ny profesora Rakotondrajao Fanja. Efa boky fahafito amin’ny navoakany momba ny sikidy no ampahafantarina mandritra io fotoana io.
Satria mifototra amin’ny fampahafantarana boky efa nisy na vao hivoaka ny “Bar à livres”, hanampy ireo liana sy hanjifa izany ny fitafatafana mivantana amin’ny mpanoratra toy izao. Misy ihany koa ireo boky hafa izay vao nivoaka, azo jifaina eny an-toerana, toy ny “Fanambin’i Rijakely”, sanganasan’i Riri Razafin­drabe.

Zo ny Aina

Partager sur: