Fampitiavana ny teny malagasy: ireo « mpampianatra » mihitsy no osa ?

Mbola ao anatin’ny iray volana natokana ho an’ny teny malagasy i Madagasi­kara. Taona-1 ka hatramin’ny Taona faha-12. Tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana ny taranja malagasy. Manom­boka maraina ka hatramin’ny hariva, teny malagasy no ifampiresahana… fa mbola tsy mahay teny malagasy ihany ny taranaka malagasy… Satria ireo « mpampianatra » (mpam­pianatra any an-tsekoly, ray aman-dreny ao an-trano, mpitarika isan-tsokajiny…) mihitsy no osa ?
Tranga mateti-piseho, oha­tra, ny mianatra kabary, kanefa, tsy mahafantatra izay vontoatin’ny ambaran’ny va­vany akory. Tsy vitsy amin’ireo izay heverina ho « mpampianatra » na mpampita fahalalana, ankehitriny, no tsy afaka mandray anjara intsony amin’ny fampitiavana ny teny malagasy.
Raha ampitahaina amin’ireo mpampianatra teny malagasy fahiny (any an-tsekoly, ao amin’ny ankohonana, eo amin’ny tontolon’ny fifaneraserana…), ohatra, ny fahalalan’ny mpampianatra teny malagasy ankehitriny. Mifanda­vitra be. Manana fototra ma­tanjaka kokoa ireo « mpam­pianatra » fahiny. Tononkira fahiny, ohatra, mavesa-danja kokoa noho ny faheno ankehitriny. tsy azo hadinoina, anefa, fa mpampianatra ny mpamoron-kira. Niha osa ny mpampianatra?
… Rehefa ireo heverina ho « mpampianatra » no osa. Tsy antenaina ny hahita vokatra tsara eo amin’ny fampitiavana ny teny malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: