Nandray ny ivon’ny fankalazana ny hetsika koltoraly sy iraisam-pinoana manan-tantara ho an’ny fandriampahalemana ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny sabotsy teo. Nokarakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana (HWPL) sy ny UMMI Madagascar izany. Olana eto amin’ny firenena ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny ady tany, ny famonoana, ny herisetra isan-karazany… “Ilaina ny mivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina sy fihavanana manoloana izao tontolo izao. Ilaina koa ny firaisankina manoloana ireo sakana rehetra eo amin’ny fiainana”, hoy ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Bemasoandro, Ranitratsilo Jimmy. Lohalaharana ho an’ny kaominina tsirairay avy ny fandriampahalemana. “Tokony hamafisina ny fandriampahalemana ary mila mandray an-tanana manoloana izany ny tsirairay avy”, hoy ihany izy. Tanjona ny hankalazana ny soatoavin’ny fandriampahalemana sy fifanajana ary firaisam-pirenena. Eo koa ny hampiroboroboana ny fiaraha-miaina am-pilaminana sy fifankazahoana ary firindrana ara-tsosialy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy mozika ary kolontsaina. Ho an’ity kaominina ity, efa nitsangana ny sampandraharaha misahana ny fandriampahalemana. Toy ny voamieran’ny fandriampahalemana, ny polisy kaominaly, ny andrimasom-pokonolona ary ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana rehetra. Nitohy tamin’ny fankalazana ny andron’ny mozika ny hetsika ho an’ny tapany hariva. Nahitana mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa, izay nampiseho ny talentany teny ankalamanjana. Fanombohan’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovan-tena koa ny hetsika.
Mino




