Hotanterahina anio 25 jona, ao amin’ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, ny fitondrana am-bavaka ireo mpanala fanadinana sy vavaka ho an’ny tanindrazana. Hetsika fanao isan-taona, karakarain’ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF). Hiavaka ity andiany faha-23 ity, satria, handray anjara ny antoko mpihira Anjomaran’ny Fitiavana Tranovato Toamasina, tarihin’ny mpitandrina Barinarivo, filoha synodaly faritra Atsinanana. Ankoatra izay, eo koa i Henri Ratsimbazafy, hikalo ireo hira efa nahalalana azy hatramin’izay. Hiangaly ny fitendrena sy fitsofana zavamaneno ireo mpitendry kristianina matihanina. Eo amin’ny vatamaroafitsoka i Son sy i Tahina. Ny gitara beso i Théo ary ny fitsofana ny saksôfônina i Titi sy i Tantely. Hively ny ampongamaroanaka i Nomena.
Hitarika ny fotoana ny mpitandrina isany, Ramino Vololona sy Raharijaona Solofonirina ary Rakotoarimanana mivady hitsodrano sy hitondra am-bavaka ireo mpianatra hanala fanadinana sy ho an’ny firenena.
Tsy ho diso anjara fa hanana ny anjara fotoanany koa ny RFF. Ankoatra ireo hira malagasy, hanao “gospel” koa izy ireo. Hisy koa ny antsa tononkalo. Aorian’ny fotoana, hotanterahina eo an-tokotanim-piangonana ny afondasy. Hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany ny fotoana. Tsy misy ny vidim-pidirana fa rakitra no hotatazana.
HaRy Razafindrakoto




