Ho fiderana an’Andriamanitra noho ny fahasoavana narotsany, mikarakara fampisehoana iarahana amin’ny tarika Reko Band ny sampana Mpanazava sy Tily ao amin’ny FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy, ny alahady 29 jona izao amin’ny 3 ora tolakandro. Hatao ao an-toerana ihany izany. Hoentina hanohanana ny fikambanana sy hanefana ny adidy masina iantsorohan’izy ireo ny vola azo amin’izany. Hetsika lehibe karakarain’izy ireo amin’ity taona ity izany ka anasany ny rehetra hanotrona ny fotoana.
Tsiahivina fa sampana iray anisan’ny miroborobo ao amin’ny FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy ny Mpanazava sy Tily. Tsy mikely soroka izy ireo mamolavola ny ankizy sy tanora mba ho tonga olom-banona eo amin’ny sehatra ara-panahy sy maha olona. Anisan’ny antony iray nisafidianana ny tarika Reko Band amin’ny maha mpanakanto ankafizin’ny tanora amin’izao fotoana izao izany. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tsy ho diso anjara izay rehetra ho avy hanotrona ity fampisehoana ity satria sady hahazo aim-panahy no hiakona hafaliana amin’ireo hiran’ny tarika. Araka izany, eny amin’ny FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy ny fotoana amin’ny alahady 29 jona ho avy izao.
Andry F.




