Tsy nanadino ireo ankohonana nifindra monina any Ambohimiarina ny Fanjakana. Novatsiana sakafo izy ireo hiatrehany ny fetim-pirenena. Ireo fianakaviana vonona amin’ny fambolena sy fiompiana no raisina eny an-toerana.
Tafiditra ao anatin’ny Iray volan’ny ankizy sy ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, ny hetsika notanterahina teny Ambohimiarina. Mahatsiaro ireo ankohonana eny Fieferamanga sy Ambohimiarina ny minisiteran’ny Mponina sy ireo tomponandraikitra eny ifotony amin’izao ankatoky ny fety izao.
Nisy ny nofon-kena mitam-pihavanana sy fizarana vary 25 kg, menaka, siramamy, sira…isan-tokantrano. Fehezan-karona nahitana kojakoja ilaina amin’ny andavanadro hahafahan’izy ireo mifety. Teo koa ny arendrina sy ny vatomamy ho an’ny ankizy.
Misy solontenan’ny minisiteran’ny Mponina, isan-kerinandro, tonga eny an-toerana mikarakara ny fiainan’izy ireo. Eo koa ireo mpampiofana isan-karazany mitondra izay tsara ho fantatra amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny fihariana izay entin’ireo fianakaviana mahaleo tena ara-pivelomana. Manohana ireo tokantrano vonona hiainga amin’ny fiainam-baovao ny tanjona.
Nentanina handray tsara ireo mpifindra monina ireo tompon-tanàna mba hirindran’ny fiarahamonina eny ifotony. Fifanakalozana eo amin’ny fiarahamonina tonga lafatra no tena katsahina anaty firaisankina. Zava-dehibe ny fanajana ny soatoavina sy ny fihavanana malagasy. Mifampizara ny mahasoa no tena hisian’ny fampandrosoana.
Maro ireo efa tapa-kevitra amin’ny fifindra-monina hiverina amin’ny fambolena sy fiompiana. Manodidina ny 2 000 tokantrano no noheverina tany am-piandohana.
Misokatra ho azy ireo ny eny Ambohimiarina sy eny Fieferamanga. Fahaleovantena ara-tsakafo no tena ifotorana ary manampy amin’ny tohana rehetra ny fanjakana. Tena fahavononana ara-tsaina sy ara-batana ary vonona ny hiala amin’ny fahantrana no andrasana amin’ireo ankohonana mazoto amin’izany.
Tatiana A




