Nikarakara fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny ankizy sahirana ao amin’ny fokontany Besarety sy ny manodidina ny Rotary club Antananarivo Vovonana sy ny école Pre-vert, tamin’ity herinandro ity. Fiaraha-miasa efa mahazatra, fanao isan-taona, izao ho an’ny fikambanana sy ny sekoly ary ny fokontany izay nifantina ireo mpisitraka ny tolotra fahasalamana, araka ny fanazavana.
Ankizy sahirana maherin’ny 200 no nozahan’ny mpitsabo fahasalamana maimaimpoana sady nozaraina fanafody mifanaraka amin’ny aretiny. Nisy fiaraha-miasa tamin’ireo mpitsabo efatra avy amin ny hopitaly misahana ny reny sy ny zaza eny Ambohimiandra nandray an-tanana ny fizahana sy nanome ny lisitry ny fanafody ilaina. Nanome tanana koa ny toeram-pivarotana fanafody satria saro-pady ny fihinanana fanafody, indrindra ho an’ny zaza sy ankizy.
Mbola maro ny hetsika sosialy hatao aorian’izao tolotra fahasalamana izao, hoy ny filohan’ny Rotary club Antananarivo Vovonana, Avisoa Imbiky. Herintaona ny faharetan’ny fandraisany ny fitantanana ny fikambanana ka anisan’ny hetsika hokarakaraina ny fizarana fitaovam-pianarana hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fidiran’ny mpianatra, ny volana septambra ho avy izao.
Vonjy




