Nezahina ho an’ny rehetra. Anisan’ny manamarika hatrany ny fetin’ny Fahaleovantena ny seho goavana eo Mahamasina. Nanehoana ny maha iray ny Malagasy izany.
Vao mangiran-dratsy, efa filaharambe ny niditra tao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, omaly. Vetivety foana dia tomefy olona ny toerana, na dia mahazaka maro aza. Mazava loatra fa tonga hijery ny matso fanao isaky ny 26 jona ireo. Tsy izay ihany, satria efa fanao mahazatra koa ny seho goavana, ny tolakandro. Tsy nisy diso anjara ny rehetra tamin’ity, satria saika voasolo tena avokoa na ny karazan-gadona na ny mozika isam-paritra manerana ny Nosy.
Nanokatra ny fifandimbiasana an-tsehatra ny tarika Bakomanga. Nanaraka taorian’izay ry Nhodas, Mems Akademia, Odyai, Agrad, Skaiz, Njara Marcel, Ceis, Natchou, Farah John’s, Mr Sayda, Dalvis, Sanih,… avy hatrany dia ireo hira be mpankafy indrindra no nataon’ireto mpanakanto ireto.
Niavaka tamin’ny rehetra kosa ny fidiran’i Jerry Marcoss, araka ny efa fahafantarana azy. Nisy mpanao soradihy nandroaka ny hira tambatra nataony teo ambanin’ny sehatra, satria nifanandrify tamin’ny fotoana niverenan’ny Filoham-pirenena hijery ny fampisehoana ihany koa izany. Nanaraka avy eo ny « Kawitry misy sôsy » sy ny « Pati Pata », nialoha ny niantsoan’i Jerry Marcoss an’i Lousfah teny an-tsehatra.
Taorian’izay kosa no nisesy ireo mpanakanto zokiny, mitendry an-tsehatra ary mbola be mpankafy. Ny tarika Tempo Gaigy, Iraimbilanja, Lego, Dat’Kotry… namerina indray ireo hira tsy mety lefy laza. Tsy niala hatramin’ny farany ireo tonga nifety, indrindra koa fa tsy navelan’i Dj Schin – Shan nisy fotoana banga mihitsy ny fotoana. Nanadinoana vetivety ny sorisorim-piainana andavanandro iny, ho an’ireo nanatrika teny Mahamasina sy nanaraka mivantana tamin’ny fahitalavipirenena.
Zo ny Aina




