Rado Ramaherison: “Tsy misy mpanoratra na pôeta dimbiasana na mandimby izany”

Raikitra ny fampitahana! Ny asa soratry ny teo aloha na ny efa nialoha lalana no hampitahaina amin’ny an’ny mpanoratra na pôeta aty aoriana… Ao ireo ambara ho mitovitovy “endrika”. Tsy vitsy no lazaina ho naka tahaka. Misy koa, anefa, ireo ambara fa dimbin-dRanona. Mitsipaka io farany io ny fanazavan-dRado Ramaherison, mpanoratra. Tafa nifanaovana taminy.

Gazety Taratra (*): Tranga manao ahoana no ahatongavana eo amin’ny toeran’ny antsoina hoe mpanoratra na pôeta, raha ho an’ny Malagasy manokana?

Rado Ramaherison (-): Ny ankamaroan’ny mpanoratra na pôeta, nanana izay nanaitra azy teo am-piandohana. Namaky ny asasoratra na bokin’izay nankafiziny. Nanomboka nakanaka tahaka sy nampiadiady rima, ireo no niandohany. Misy ny hafa sy ny maningana fa ny iraisan’ny betsaka dia ireto tanisaina manaraka ireto no heverina ho niaingan’ny maro. Jean-Joseph Rabearivelo (04/03/ 1903 – 22/06/1937), Jean Verdi Salomon Raza­kan­drainy na Dox (13/01/1913 – 14/06/1978), Andriama­nan­tena Georges na Rado (01/10/1923 – 15/09/2008) ary Randriamananjara Edmond na Randja Zanamihoatra (29/05/1925 – 11/07/1997).
Niaina vanim-potoana ma­r­­o ny tantaran’ny haisoratra. Samy nanana ny anarany sy ny nanamarika azy avy izy ireny. Ny vanim-potoana an­kehitriny (faritana amin’izay aloha na tsy mbola fantatra mazava aza hatramin’izao hoe nanomboka oviana marina sy izay tena mendrika ho anarany) ihany koa tsy hafa amin’izany. Vanim-potoana maro mpanoratra sy pôeta be indrindra. Maro fikambanana mpanoratra sy pôeta mijoro (ara-panjakana na tsia) izay misehatra amin’ireo karazana asa soratra samihafa. Tsy takona afenina fa ny tononkalo (na pôema) sy ny pôezia no be mpanao indrindra. Io rahateo moa no alfan’ny asa fanoratana raha ny tantara foronina sy ny haintaria (*) no ômegany.

* Raha io fanazavanao io, naka tahaka ve sa dimbiasana na nandimby ny mpanoratra taty aoriana?

Amin’izay asa fanoratana izay (ambara amin’izay aloha na tsy mbola mety ho asa mahavelona aza hatreto), misy ny atao hoe rivotra. Ilay endriky ny fanahy mitosaka avy amin’ny mpanoratra sy pôeta ka taratra amin’ireo asasorany rehefa bitsihan’ilay fanahy mpikalony (mampikalo azy) izy. Ao ny rivotra mampalahelo, mampamolivoly, ma­ha­tsikaiky, mam­pitraka… Ma­nana ny rivotra mampiavaka azy ihany koa araka izany ireo ankehitriny ary tokony ho izay, satria, ireo mpanoratra na pôeta efa any an-tsahan’ny fanahy dia efa samy nametraka ny dian-tanany sy ny diam-peniny teo amin’ny tantaran’ny haisoratra. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy ireo nodinganin’ny tantara araka izay ambaran’i Charles Ravoajanahary (02/05/1917 – 1996) hoe: “Any ho any, tsy maintsy misy mpanoratra tsy fantatra na tsy nampahafantarina, kanefa, mahay. Manana haren-tsaina miafina tokony ho fantatry ny taranaka. An­jaranareo ny mitrandraka iza­ny ka mampahafantatra ny besinimaro ny fisiany. Indrain­dray aza, voadingana ao anatin’ny tantaran’ny literatiora malagasy izy ireny, kanefa, mpanao tsy lazaina, nitondra ny anjara birikiny amin’ny fandrafetana ny literatiora malagasy”. Tsy mila dimbiasana na mpandimby ireo fa izay mitombina kokoa ary tokony imasoan’ireo solofo ankehitriny dia ny hamaly ny fanontanian’i J. Nalisoa Ravalitera hoe: ary ise raha ho faty?…Inona no hafatra (ampio hoe dindo sy tsiaro) avelan’ise?
Tsy ny ho dimby na handimby no tokony ho tanjona, araka izany, fa ny hisoratra ihany koa ao amin’ny boky sy tantaran’ny haisoratra, rahatrizay tsy ho ety intsony, i Dox ary moa nilaza mihitsy fa :“ny olombelona rehetra dia poeta avokoa fa izay tena poeta dia izay mahay mamoha ny poeta matory ao anatin’ny hafa”.

* Raha io hevitr’i Dox farany io. Mety ho tonga ho mpanoratra avokoa ve ny olon-drehetra? Amin’izay fotoana izay, kanto avokoa ve ny asa soratra vita avy eo?

Samy mbola am-perim-panoratana amin’izao fotoana izao. Aoka avela hanoratra daholo mihitsy aloha fa misy ny mpamaky sy ny kanto. Ho mpitsara marina tsy mandainga izy ireo. Ho voasivana ho azy amin’ny fotoana hihavian’ ny “tsy lefy laza” sy “velomaharitra” (toetra tsy ananan’ny tsara fa an’ny kanto irery) ny mpanoratra na pôeta iray sy ny sanganasany na tsia. Hamafisiko fa ilaina saingy tsy ampy raha ny talenta fotsiny, na voajanahary izany na nolovaina. Fa ny asany no hitsara ny tsirairay, satria, asa mila faharetana izy ity. Mila fikarohana, mila fikirizana, mila fitozoana. “Asa izany sady ngeza!”, fa zava-kanto vita amin’ny teny no kendrena, “ka soraty! Mahereza!”.

(*) Haintaria: i dokotera Razafindrazaka izay mitondra ny solon’anarana hoe Andry Andraina no nampiasa voalohany ny teny hoe “haintaria”, nentiny nandikana ny “epopoia” na “épopée”. Araka ny fahitany, ny tononkalo nosoratan’i Haëckel Andrianjatovo ao amin’ny Ambohibeloma (1967) no nanana endrika haintaria voalohany. Fihirana omban-tsahoby ny nihanihan’ Andrianampoinimerina ny tanànan’Ambohibeloma, tamin’ny namoriany an’Imerina, santatry ny famoriany ny Anivon’ny Riaka (Anivoniriaka).

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Partager sur: