Izay miasa ihany no ratsy

Miverimberina tsikelikely eny anivon’ny mpanao politika indray ny resa-tseza sy fizaran-toerana. Manomboka miketriketrika indray ry tsy mahandry tantana. Somary nilamindamina izany nialoha ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena. Samy nitady fitoniana kosa ny olom-pirenena rehetra. Nisy ireny karazam-boina nisesisesy ireny rahateo nanahirana ny saim-bahoaka.
Efa betsaka ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Maro ny asa vita, ka rariny sy hitsiny ny tokony hisian’ny fitohizan-draharaha. Tsy mendrika ny fanapatapahana eny anelanelam-potoana izany intsony. Aiza koa moa dia isaky ny misy tsy azoazo na mety hanohintohina hambom-pon’olona iray na roa ve dia hoesorina amin’ny maha-tomponandraikitra azy.
Ny tena mahavariana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, izay heverina ho miasa sy manao izay mendrika no lasibatra. Ireny no tena hatao hazalambo, lazaina fa tsy maharaka ny hafangainam-pandeha, hoy ireo mpitaty “ran-kena”. Izay miasa ihany no tena ratsy eto amin’ny tanàna. Ny mpanao alasafay sy ny tsy andrenesam-peo no lazaina fa mahavita azy.
Zary fialokalofana ho an’ny tsy ampy traikefa sy tsy mahefa na inona na inona ilay hoe “miasa mangina” hono! Ahoana tokoa moa no hanenjehana olona tsy manao na inona na inona. Ireo mikely aina mba hampiseho fitiavan-tanindrazana sy tsy mikely soroka no iharan’ny fitsaram-bahoaka na iharan’ny fanivaivana. Lazaina fa “miseho milay”! Ary mila kapaina ranjo…
Amin’ny ankapobeny, mila manova toe-tsaina ilay Malagasy. Manomboka amin’ny mpanao politika sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny izany. Tsy misy fampandrosoana ho vanona anatin’ny fifampiandrasana kendritohina sy fanaovana antsojay izany. Mila fo madio anatin’ny asa amin-kitsim-po ny firenena.

r.r

Partager sur: