Mbola maro ny asa miandry: mila mianatra ny mpampianatra teny malagasy

Malagasy mianatra teny malagasy… Satria, tsy nisy nahay tany an-kibon-dreniny. Fa misy koa ny Malagasy manao tsinontsinona ny tenin-drazany fa te ho… Na eo aza ireo rehetra ireo, ilaina ny mpampianatra mahay teny malagasy.

Hivalona tsy ho ela ny « Iray volan’ny teny mala­gasy ». Fotoana nanandratana ny hasin’ny teny mala­gasy. Nanatanterahina hetsika maro mifandraika amin’izany. Niharihary tamin’ireny fampirantiana sy velakevitra ireny fa manana mpampianatra teny malagasy maro be ny fiarahamonina ankehitriny. Ao ny ray aman-dreny, ireo mpikabary, ny mpamorona tononkalo, ny mpamoron-kira, ny mpitory teny, ireo mpilaza vaovao isan-tsehatra, sns.
Hatramin’izao, anefa, mbola ahitana sy ahenoina lesoka lehibe avy amin’ireny lazaina ho mpampianatra ireny. Mila mi­anatra ny mpampianatra teny malagasy. Maro loatra ireo fahadisoina ambaran’ny vava sy soratan’ny tanana. Mifanindran-dalana amin’ izany ny fahasahiana manitsy ny diso. Na iza na iza, ahitsy rehefa mandiso.

Ny an’ny hafa aza hisahiranana
Mahavariana fa ny Mala­gasy rehefa hiteny vahiny, mi­sahirana fatratra ery sao mandiso na sao heverin’ny olona fa tsy mahay. Amboarina ery ny fanononana ny « r » mba tsy ho « « r » gasy be », hoy ny sasany. Fa angaha ratsy ny fanononan’ny Malagasy ny « r » ? « Tsia, tsara fa ny an’ny vahiny mbola tsaratsara kokoa », hoy ny hafa. Asa miandry, mila fanarenana goavana ny fomba fisainana ha­metraka ny an’ny tena ho eny an-doloha.
Misahirana sy mitandrina fatratra ery rehefa hanoratra amin’ny teny vahiny. Ampia­saina ny fitaovana harifomba. Antsoina ny olona heverina fa mahafehy ilay teny, satria, mahamenatra raha mandiso. Ka raha samy hisahirana ta­haka izany, tsy aleo ve ny teny malagasy no hanaovana ezaka sy hisahiranana? Menatra raha mandiso ny teny vahiny fa man­deha ho azy sy efa mahazatra raha ny teny malagasy no tsy mandeha amin’izay laoniny.
Raha, sanatria, ka tsy mi­ova ao anatin’ny 5 taona ny fomba fisainan’ny Malagasy manoloana ny teniny. Ny am­pahatelon’ny Malagasy sisa no hiteny amin’ny tenin-drazany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: