Miahy ankizy 116, varira ny 67: mangataka tolo-tanana ny Sekolin’ny jamba ao Farafangana

Miahy ankizy 116, amin’izao fotoana izao, ny Sejafa, izay ahitana zaza varira 67 ho fiarovana ny ain’izy ireo. Manao antso ho an’ny fanjakana sy ny tsara sitrapo ny mpitantana ny sekoly. Satria, tojo olana amin’ny fotodrafitrasa andraisana an-tanana (kilasy mandry) araka ny tokony ho izy sy ny sakafon’ny kilonga beazina ao aminy.

Sekolin’ny jamba Fara­fangana (Sejafa), mandray an-tanana ireo olona manana olana amin’ny fahitana no niandohan’ny se­koly ny taona 1996. Amin’izao fotoana, lasa sekoly mampiaty, mandray miaraka ny ankizy tsotra sy ireo zaza manana fahasembanana ny Sejafa. Ankizy 580 isa no sahanin’ny sekoly ka manana fahasembanana ny 156 amin’izy ireo. 52 jamba, 67 ankizy varira ary 24 zaza manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina. Raisina an-tanana manontolo (sakafo, fitsaboana, fianarana…) ao amin’ny sekoly ny ankizy 116 jamba sy varira.
Nanorina efitrano fandraisana ireo ankizilahy sy ankizivavy jamba ny fikambanana NMS avy any Norvège teny am-piandohana ary mbola mitohy manao tantsoroka hatramin’izao.
Nanomboka ny taona 2021, nirongatra ny fakana an-keriny zaza varira teto Madagasikara ka ho fiarovana ireo ankizy teo an-toerana sy avy amin’ny faritra hafa mifanakaiky dia nalefa nobeazina ao amin’ny Sejafa izy ireo, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitandro filaminana misahana ny ao Atsimo Atsinanana sy Matsiatra Ambony.
Ankehitriny, manao antso ny mpiandraikitra ny sekoly satria tsy misy intsony ny sora-bola hikarakarana ireo ankizy varira 67 mialokaloka ao aminy. “Tokony hianatra, hisitraka fitsaboana sy sakafo isan’andro izy ireo ka ny tohana avy amin’ny NMS handraisana ireo ankizy jamba no hifampizarana ho an’ny zaza 116”, hoy ny talen’ny sekoly, Felistine.
Mandritra ny herinandro, mandany vola hatramin’ny 1 879 113 Ar ny sakafon’ireo ankizy varira 67. Ho an’ny ankizy 116 karakaraina eo anivon’ny sekoly kosa, mahatratra 9 280 000 Ar ny vola ilaina ho an’ny lamba firakotra sy ny akanjo ary ny kapa, indrindra amin’izao andro mangatsiaka izao.
Mianatra sy beazina eo anivon’ny sekoly avokoa ny sokajy voalaza iarahan’ny ankizy tsotra, ireo varira ary ny manana fahasembanana.
Tojo olana ankehitriny ny mpitantana ny sekoly satria ankoatra ny olana ara-bola hikarakarana ireo ankizy varira, tsy ampy koa ny fotodrafitrasa ipetrahan’ny zaza monina eo anivon’ny sekoly. Efitrano fandriana, toeram-pisakafoana ary efitrano fianarana sy fampianarana asa tanana. Ankoatra ny fotodrafitrasa fototra, mila fitaovana ho an’ireo ankizy varira ny sekoly. Tsy manana ardoise en braille sy papier en braille ilaina amin’ny fampianarana ny ankizy jamba ny Sejafa, amin’izao fotoana izao.

Afaka CEPE ny mpiadina varira roa

“Tsy mbola afaka miverina eny anivon’ny fianakaviana anefa ireo zaza varira noho ny tsy fandriampahalemana. Ho fiarovana ny ainy, voatery mijanona eo anivon’ny sekoly izy ireo”, hoy ny talen-tsekoly, omaly. Avy amin’ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana ny 99% amin’izy ireo ka sarotra ny hangataka fanampiana amin’ny ray aman-dreny. Mbola iantohana saran-dalana izy ireo rehefa hamangy ny zanany ao amin’ny Sejafa.
Ireo fikambanana sy ny olona mpanao asa soa no manolotra fanampiana in­draindray fa ny fanjakana tsy mbola nanome tohana hatramin’izao.
Tamin’ity taom-pianarana ity, ankizy varira roa no nanala fanadinana CEPE ka afaka soa aman-tsara, iray hiatrika BEPC ary iray hafa hanao bakalorea. Tamin’ny taona 2024, nahatratra 100% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana ho an’ny Se­jafa. Manana sekoly ma­nomboka amin’ny préscolaire hatramin’ny 3ème ny Sejafa, ampidirina mianatra ao amin’ny sekoly loterana eo Fara­fangana mandoa saram-pianarana kosa ireo manohy amin’ny kilasy 2nde.
“Misy ny fikambanana manana tetikasa hanorina fotodrafitrasa fa tsy mbola niroso aloha hatramin’izao izay”, hoy ny mpitantana ny sekoly.

Partager sur: