Faha-200 taonan’i Louis Pasteur: ny mpianatra no tena liana amin’ny fampirantiana

Notontosaina teny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely, nanomboka ny 13 desambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy ny 21 janoary 2023, ny fampirantiana ahatsiarovana ny faha-200 taona nahaterahan’i Louis Pasteur. “Bicentenaire de la naissance et son héritage à Madagascar” no lohateny nampitondrain’ny mpikarakara ity hetsika ity. Ankizy mpianatra no manamaro isa ny mpitsidika tao anatin’izay fotoana nanaovana ny fampirantiana izay. “Ao anatin’izao hetsika efa madiva hifarana izao vao mihamaro ny mpitsidika”, hoy ny tompon’andraikitra.
Tao anatin’ny iray volana mahery no nampirantiana ny zava-bita sy lova navelan’i Louis Pasteur, tao amin’ny IFM Analakely. Fitaovana nampiasaina tamin’izany, ny lalana nodiaviny sy ny zava-bitany, vokatry ny fikarohany. Izany rehetra izany no mandravaka ny fampirantiana eny amin’ny IFM Analakely. Ny mpianatra eny anivon’ny kolejy no tena maro mitsidika eny. Eo ihany koa ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo, mandalina manokana momba ny siansa. Ankoatra izay, dokotera sy mpanao fikarohana. Ireo no mamaritra ny mpitsidika ny fampirantiana. Ankoatra ny teratany malagasy, misy ihany koa ny teratany vahiny manatanteraka ny fitsidihana.
“Be dia be ny zava-baovao fantatra nandritra ny fitsidihana taty. Nisy ihany koa ny zavatra efa nisy taloha fa izay vao fantatra ny fisiany, nandritra ity fitsidihana ity”, hoy i Miora, mpianatra. Tanjona ny fampahafantarana ny taranaka aty aorina, indrindra ny tanora, ny zava-bita sy ny lalana nodiavain’ity olomanga ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: