Dihy: andiany fahatelo ny « Evasion danse »

Iray amin’ireo hetsika momba ny dihy hoenti-manasongadina ny asa famoronana ny Festival international de danse de création « Evasion danse ». Fantatra fa hotontosaina ny 7 jo­lay ka hatramin’ny 13 jolay izao, eto Madagasikara ny andiany fahatelo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fihaonana sy fifanakalozana eo amin’ny tontolon’ny dihy. Fampisehoana an-tsehatra maro. Fifaninanana isan-karazany ary ny fiofanana « Master class ». Toerana efatra kosa no handray ny « Evasion danse ». Ao amin’ny Institut Français de Madagascar Analakely (IFM). La Teinturerie Ampasa­nimalo, Tranompokonolona Analakely.
Anisan’ny mampiavaka ity hetsika ity ny fanomezana laka ny fifanakalozana sy famohazana ireo talenta any amin’ny tsirairay eo amin’ny sehatry ny famoronana. Ankoatra ireo mpandray anjara avy eto an-toerana (Mireille Andriamihaja, Niony Ralaizanaka…), hisy mpanakanto mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny dihy avy any La Réunion, Afrika Atsimo, Frantsa… Maorisy ihany koa ho avy amin’ity andiany faha-3 ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: