Ankizy tsy hita popoka: nandravarava i Cheneso

Nahita faisana ny faritra nolalovan’ilay rivodoza Cheneso, omaly. Dibo-drano ny tanàna. Nisy ny ankizy folo taona tsy hita popoka, maro ny fotodrafitrasa rava.

Zazalahikely 10 taona no tsy hita popoka tamin’ ireo telo nandeha niandriaka, omaly, tany amin’ny faritra Diana na efa nisy aza ny toromarika avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Avotra soa aman-tsara ny roa ary mbola manohy ny fitadiavana ilay fahatelo ny tomponandraikitra, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny foibe nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier. Efa miasa avy hatrany koa ny Centre opérationnel misahana ny voina rehetra miaraka amin’ny fitaovana manokana eny amin’ny BNG­RC ao anatin’ny fiatrehana ny rovidoza Cheneso. Any Antalaha, distrika nidiran’ilay rivodoza, tapaka ny jiro ary mbola nirotsaka betsaka ny orana, omaly tontolo andro. Efa niakatra koa ny renirano ka nafindra amin’ny toerana avo ny mponina eny amin’ny tanàna ambany. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana manara-maso ny olona mety mila famonjena manokana. Oram­be sy rivotra nifofo koa no ni­seho tany amin’ny distrikan’i Sambava ka nahadibo-drano ny faritra iva, indrindra eo amin’ny tampontanàna ka tondraka ny fokontany sasany. Tapaka ny jiro nanomboka tamin’ny 7 ora maraina. Efa vonona ny toerana handraisana ny traboina ka anisan’izany ny tranompokonolona. Maha­zaka 3000 olona ny fotodrafitrasa nofaritana hifindran’ny olona na ireo traboina. Any amin’ny faritra Analanjirofo, mitsahatra ny fampianarana ary tsy miasa ny mpiasa rehetra, omaly, noho ny fahazo­an’ny faritra filazana loza mitatao.

237 traboina ao Maroantsetra
Mahatratra 237 ny isan’ny traboina mitoby amin’ny trano fandraisana ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo, araka ny tatitry ny BNGRC, hoy ny Dépêche informative Taratra, omaly. Noho ny fiakaran’ny rano no mahatonga azy ireo tsy maintsy nafindra toerana. Raisina amin’ny toerana no­ma­nin’ny BNGRC miaraka amin’ny Maid’air ny 113 amin’izy ireo. Raisina an-tanana ao amin’ny CSB kosa ny 24. Ankoatra izay, sekoly iray ao amin’ny fokontany Ambodivoanio, kaominina Anjañazaña sy trano valo ao amin’ny fokontany Ambani­zaña, kaominina Ambanizaña no dobo-rano tanteraka.

Fo­kontany maromaro anatin’ny kaominina efatra samy ahitana renirano no tratran’ny fiakaran’ny rano ka nafindra vonjimaika eny amin’ny EPP aloha, hoy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo.

Vonjy A.

Partager sur: