Misongadina amin’ny tsara. Mampirehareha ny ezaka vitan’i Madagasikara tamin’ny fametrahana ilay “Satan’ny matihanina amin’ny sehatry ny boky”, izay hataon’ireo firenena afrikanina hafa fakan-tahaka.
Iza avy ireo mpisehatra? Inona no andraikitry ny tsirairay? Inona ny mampifandray ny rehetra amin’ny tontolon’ny famokarana boky? Tafapetraka ka voavaly amin’ny antsipiriany ao anatin’ilay “Satan’ny matihanina amin’ny sehatry ny boky” ireo fanontaniana ireo. Tsara rafitra ka natao ho fakan-tahaka aty Afrika i Madagasikara, raha ny tatitry ny delegasionina malagasy niatrika ny famoriana nataon’ny tetikasa “Ressources éducatives”, tany Lomé, Togo, ny herinandro teo. Firenena 13 no nanana solontena nanatrika ity fihaonana an-tampony andiany faharoa ity, izay nahitana ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny boky.
“Izaho manokana dia resy lahatra fa sehatrasa mila tohanana mba hivadika ho indostria matanjaka afaka manampy ho an’ny fampandrosoana ny firenentsika ny tontolon’ny boky”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, Rakotondrasoava Fetra, nitarika ny delegasionina malagasy any an-toerana. Aminy, tena azo tsapain-tanana ny vokatry ny ezaka natao tao anatin’ny efa-taona, mahakasika ny tontolon’ny boky sy ny vakiboky. “Hisy afrikanina mpanoratra hitondra ny bokiny hatonta aty amintsika. Efa misy koa ireo trano fivarotam-boky milaza fa hanafatra boky avy aty. Entina hilazana ireo fa manomboka manondrana boky isika ankehitriny”, hoy izy.
Tsiahivina fa nitondra fanampiana goavana tamin’ny fanohanana ny rohin’ny boky teto Madagasikara ny tetikasa “Ressources éducatives”. Nisampana maromaro ny tetikasa, teo ny fanatsarana ny kalitaon’ireo boky ho an’ny ankizy. Nisy koa ny fanatsarana ny fifandraisana araka asa teo amin’ireo mpisehatra, ka tonga tamin’ny fandrafetana ity sata natao ho maodely aty Afrika ity.
Zo ny Aina




