TARATRY ny KANTO

Hiova ny ora fivoahan’ny Fondation H etsy Ambatomena. Manomboka anio, hisokatra amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva ny toerana fampirantiana, ny trano famakiam-boky ary ny toeram-pivarotana, ny talata hatramin’ny sabotsy. Amin’ny 10 ora hatramin’ny 4 ora hariva kosa ny alahady, ankoatra ny trano famakiam-boky. Ny alatsinainy kosa no andro fikatonana. Mai­maimpoana hatrany ny fidirana ao amin’ity Ivokolo ity.

“Andro iraisam-pirenena ho an’ny reggae”, ny anio 1 jolay. Hanamarika izany koa ny mpankafy an’ity mozika ity eto Madagasikara. Hisy ny hetsika izay hatao etsy amin’ny La Teinturerie Tsiadana, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Mpanakanto maro no hifandimby an-tsehatra mandritra izany, ka anisan’ireny ry Kheman, Kyàlaa, Krutambull, Jah Roots, sns. Firenena maro no miara-mankalaza azy ity maneran-tany.

Miara-dalana amin’ny Moozik i Njara Marcel. Nahavita ny fifanarahana ny roa tonta, ka efa azo jifaina ao amin’ny Moozik ny hiran’ity mpanakanto ity rehetra, indrindra ireo tena be mpankafy amin’izao fotoana izao. Nahavita ny fifanarahana ihany koa ny Ampifitia, nandritra ny seho ny alahady teo, tetsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa marobe ireo mpanakanto malagasy no miara-dalana amin’ny Moozik, nisafidy ny hivarotra ny sanganasany amin’ny fomba manaraka ny toetry ny andro.

Partager sur: