Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanendrena ireo tompon’andraikitra voalohany hitantana indray ireo hopitaly lehibe eto Antananarivo. Anisan’izany ny HJRA, HJRB ary ny hopitaly manara-penitra etsy Andohatapenaka.
Notendrena tamin’izany Ramarolahy Andriatiaray Rija Niaina, hitantana ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) etsy Ampefiloha.
Mpitantana vaovao ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Raseta Befelatanana etsy Mahamasina kosa Rakotovao Andriamiadana Luc.
Notendrena ihany koa Raboba Julia Liliane, ho tale mpitantana ny Centre Hospitalier Universitaire etsy Andohatapenaka na ny hopitaly manara-penitra.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny vinan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hitondra fanatsarana amin’ ny fomba fandraisana eny anivon’ny toeram-pitsaboana sy ny hopitalim-panjakana amin’ ity taona 2023 ity. Eo koa ny fanairana ny mpiasan’ny fahasalamana ho tia sy tena hanatanteraka ny asany izay asa masina tokoa. Manana andraikitra amin’izany fanavaozana izany ireto tompon’andraikitra vaovao ireto ary hotsarain’ireo marary sy mpikarakara marary, mila raharaha mivezivezy eny ny asan’izy ireo.
Tatiana A